Politique

Antenimierandoholona Tonga manamafy fiaraha-miasa ny vahiny


  • Sabotsy 22 Oktobra 2016

Nampahafantarana ny tetikasa nataon’izy ireo teto Madagasikara nanomboka ny taona 2001 ka hatramin’izao taona 2016 izao sy ny vinavinanasa ny taona 2017 ny fikambanana


 « Amitié Madagascar Bretagne » sy ny « Amitié Madagascar Normandie » izay notarihin’ny filohany Xavier Guiavarach sy Nicole Bars raha tonga nihaona tamin’ny filohan’ny Antenimierandoholona Honoré Rakotomanana tao amin’ny Lapa maitso Anosikely, omaly zoma 21 oktobra 2016. Mifototra amin’ny famokarana rano fisotro madio sy ny fanadiovana ny tetikasa ka tanora maro mpilatsaka an-tsitrapo no niara-mifarimbona anatin’izany. Faritra maro no efa namokaran’izy ireo lavadrano. Manampy ny tanora sy ny ankizy eny amin’ny tontolo ambanivohitra eo amin’ny sehatry ny fanabeazana sy ny fahasalamana ihany koa ireto fikambanana ireto ka efa am-polony ny trano famakiam-boky sy toeram-pidiovana novokarin’izy ireo. Tsy tanteraka anefa izany, hoy ireto vahiny ireto, raha tsy nisy ny fiaraha-miasa tamin’ireo mpiara-miombon’antoka teto an-toerana, indrindra fa ny fiaraha-miasa amin’ireo mpitondra fanjakana malagasy ka fanamafisana izany izao fitsidihana tao amin’ny Antenimierandoholona izao.

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT