Nivoaka ny resaka amin’ny fisian’ny fitantanam-bola tsy mazava amin’ny antenimierandoholona, ary misy mihitsy ny mivoy ny hanaovana grevy manoloana ny tsy fisian’ny mangarahara.
Etsy an-kilany, mandiso izany ny eo anivon’ity andrim-panjakana ity, ka ambaran’ireo mpitarika izay ahitana ny filoha sy ny birao maharitra fa teti-dratsy hoenti-manakorontana sy fandotoana saim-bahoaka izany. Misy ambadika politika mikendry ny hamotehana ny antenimierandoholona sy fanakorontanana ny firenena manontolo mihitsy, hoy hatrany ireo mpitarika ity andrim-panjakana ity. Miantso ireo mpikambana hiray feo sy hiray hiana mba hisian’ny firaisankinam-pirenena hatrany ny filoha sy ny birao maharitra. Nilaza ny filohan’ny antenimierandoholona Honoré Rakotomanana fa tsy hanaiky lembenana manoloana ny mety ho tsindry sy fanakorontanana na anatiny na ivelany, mba ho fitandroana ny hasin’ity andrim-panjakana ity. Matoa misy ny ny resaka mivoaka amin’ny tsy fisian’ny mangarahara, dia tsy tongatonga ho azy izany, ka tsy tokony hisy ny fihainoana feon-dakolosy tokana, fa mila sokafana ny fanadihadiana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.