Politique

Antenimieran’ny varotra Toamasina Tafakatra 10 tapitrisa ny tambinkaraman’ny filohany


  • Talata 21 Septambra 2010

Toy ny fanaon’ny Antenimieran’ny varotra isan-taona araka ny lalŕna mifehy azy, dia manao fivoriambe izy ireo handaniana ny fanapahana horaisina amin’ny asa atao rehetra. Ny 27 mey 2010 teo ary no nanao ny fivoriambeny ny mpikambana tao Toamasina (CCIT) notarihan’ny filohany, Randriantsalama Jackie ary ahitana mpikambana 22.

Tamin’ireo lahadinika nentin’ny filohan’ny CCIT, dia teo ny fandaniana ny kaontim-pitantanana taona 2009 mikasika ny fandaniam-bola sy ny fampiasam-bola amin’ny antsipirihany nataon’ny Antenimieran’ny varotra Toamasina, teo koa ny nijerena ny disadisa teo amin’ny CCIT sy ny MICTSL izay resaka fiadiana kaontenera lany fetr’andro tokony ho vola miditra any amin’ny CCIT. Ireo rehetra ireo moa dia lany tsy nisy nitsipaka ary ny olana teo amin’ireto orinasa roa ireto dia niravona noho ilay fifanarahana nifanaovana sonia nandritra ny fandalovan’ny praiministra ny volana janoary 2010 teo. Fa ankoatra izay, dia anisan’ny nampidirin’ny filohan’ny CCIT nakana fankatoavan’ny mpikambana koa ny fanondrotana 100% ny tambinkaramany fa hoe “kely loatra tsy mahavita sy tsy mendrika ny filohan’ny Antenimieran’ny Varotra goavana toa an’i Toamasina ny tambinkaramany teo aloha”. *

Lasa 10 tapitrisa ariary izy io nanomboka ny volana jona 2010 teo raha 5 tapitrisa ariary izany teo aloha. Voalazan’ny fitantanana an-tsoratra fa tsy nisy nitsipaka fa lany avy hatrany ity tambinkarama niakatra 100% ho an’ny filohan’ny CCIT ity. Ny mpiasa eo anivon’ity CCIT ity anefa araka ny fanazavana azo dia misy tsy mandray afa tsy iray hetsy ariary eo, izany hoe 1%-n’io tambinkaraman’ny filohany io akory niampy 10% fanondrotana nambaran’ny fanjakana. Ankilan’izay, dia lany tsy nisy nitsipaka ihany koa ny vola azon’ireo mpikambana mamonjy fivoriana izay mitentina 270.000 ariary izany, toy izany koa lany tsy nisy nitsipaka ny fanondrotana ho 200.000 ariary hofantranon’ny Antenimieran’ny varotra amin’ireo birao maro fananany, afa tsy ny ligin’ny baolina kitra Atsinanana izay tsy nampanofaina afa tsy 20.000 ariary monja isam-bolana.

RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT