Politique

Antenimieran-doholona “Tsaho ihany ny fanonganana ny filoha”


  • Alatsinainy 31 Oktobra 2016

Tsy mitombina ny siosion-dresaka fanonganana ny filohan’ny Antenimieran-doholona Rakotomanana Honoré amin’ny toerany.

Tsy mahalala no tsy mahafantatra izany rahateo ny tenako, hoy ny filoha lefitra Rasamoelina Brigitte. Misy tokoa ny tsy fifankahazoan-kevitra eo amin’ireo mpikambana mandrafitra ny Antenimieran-doholona. Mizotra ao anatin’ny filaminana hatrany anefa ny fifanazavana manodidina ny fandaminan-draharaha eo anivon’io andrimpanjakana mpanao lalàna eny Anosikely io, araka ny fanazavan’ity mambra ny birao maharitry ny Antenimieran-doholona ity. Antony iray mety mahatonga izany ihany koa angamba ny fotoana maharitra tsy niasan’ity rafitra mpanao lalàna ity, araka ny fanehoan-kevitry ny minisitry ny Kolontsaina teo aloha. Soso-kevitra iombonan’ireo loholona mikasika ny fanatsarana ireo didy aman-dalàna mifehy ny fifidianana eto Madagasikara moa ny tsy maintsy maha-mpikambana ao amin’ny antoko politika ireo kandida hirotsaka solombavambahoaka, loholona ary koa filohampirenena. Anisan’ny fepetra iray hampilamina sy hampitony ny fiainam-pirenena izany, hoy ny filohan’ny Ampela Manao Politika.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT