Nilaza ho tsy mbola nisy nahita “motion de censure” misy miketriketrika izany ireo solombavambahoaka izay nanontaniana teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza, omaly talata 16 mey 2017.
Toa niara-niombo-peo koa izy ireo tamin’ny filazana ny hoe : tsy ny fitoniana ve no ilaina ankehitriny eto amin’ny firenena ka inona indray no hitadiavana fanakorontanana amin’ny “motion de censure” ? Rehefa tena halalinina ny valin-teny azo teny Tsimbazaza dia azo antoka fa tsy hahatratra ny fetrisa ilaina hankatoavana azy mihitsy ny “motion de censure” na dia hitranga eo aza. Toa manamarina ny tenin’ny filohan’ity andrimpanjakana ity vao tsy ela akory izay tamin’ny filazana fa tsy mbola misy resaka mikasika azy io tonga eny amin’ny birao maharitra.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.