Na dia maro aza ireo solombavambahoaka no nilaza ho tsy mahalala ny fisian’ny fanomezana ilay 4 X 4 double cabine Mazada BT 50 dia voaporofo an-tsary nalain’ny mpanao gazety teny an-toerana ny fisitrahan’ireo depiote vitsivitsy voafidy manokana nisitraka izany.
Sarotra aloha ny hino fa aty amin’ny faramparan’ny « mandat » an’izy ireo dia ho sahy hanala « traite » 4 x 4 an-tapitrisany ireto depiote eny Tsimbazaza ireto. Mandeha ny feo eny an-toerana ankehitriny fa misy firesadresahana tamin’ireo depiote tsy an-kanavaka na amin’ny vondrona parlemantera inona na avy amin’ny antoko inona, ny hanomezana azy ireo an’io 4 x 4 io rehefa manaiky fa hanohana ny kandidàm-pitondrana Hery Rajaonarimampianina amin’ny fifidianana hatao amin’ny taona 2018. Heno koa etsy an-kilan’izay fa matoa tsy tohizana ny fanamboarana ny lalam-baovao natao tamin’ny Frankofonia mivoaka etsy 67 ha iny na dia efa hiaraha-mahita aza ny hafitsoky ny amboteazy eto an-drenivohitra, dia satria tafiditra ao anatin’ny kajikajy ho famalifaliana ny vahoaka hifidy an’ity kandidà ity ihany amin’io taona 2018 izany ka tsy hokitihana intsony raha tsy tonga ny fotoanan’ny fampielazan-kevitra amin’io taona io.
Rabri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.