Politique

Antenimieram-pirenena Depiote mpisolelaka 16 nahazo 4X4


  • Alakamisy 18 Mey 2017

Milaza ho tsy manam-bola lava izao ny fitondram-panjakana Malagasy raha nisy ny resaka tokony hanomezana fiara 4 x 4 na fiara tsy mataho-dalana ho an’ireo solombavambahoakan’i Madagasikara amin’izao Repoblika faha-4 izao.

 

 Hay ve rehefa ho fiarovan-tseza tsy hanozongozona ny “Motions” isan-karazany toy ny “motion de censure” sy “motion d’empêchement” dia nipotsaka tampoka ravola e ! Nomena 4 x 4 raitra, ohatra, ireo depiote mpisolelaka sy mpanohana ny fitondrana vitsivitsy ary nitondra izany niditra tao amin’ny parking ao Tsimbazaza. Ny loharanom-baovao avy eny amin’ny lapan’ny amin’ny lapan’ny antenimieram-pirenena no nahafantarana fa miisa 16 ireo depiote nahazo fiara 4X4 ireo ka anisan’izany ohatra ny depiote iray avy ao amin’ny Boriborintany faha-6 Antananarivo renivohitra, ny depiote iray avy any Manakara, ny depiote avy any Betroka, ny depiote avy any Beroroha, ny depiote avy ny Miarinarivo sy ny depiote iray avy eny Avaradrano.  Mody nolazaina fa alaina ary atao “traite”, izany hoe aloa tsikelikely ireo fiara ireo nefa azo antoka fa fanambatambazana fotsiny tsotra izao. Asa indray moa izay fialana bala na farovan-tena hataon’ireto depiote mpisolelaka ireto fa efa manomboka mazava aloha ny resaka izao. Mandeha tsimoramora ny fanambatambazana sy ny tolotolotra, avy eo misosa fotsiny ny volavolan-dalàna atolotry ny governemanta holaniana eny amin’ny antenimiera. Tsy antenimiera intsony kosa izany fa an-teni-midina e !

Rabri


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT