Politique

Antenimieram-panorenana Sao ho fampandriana adrisa fotsiny ?


  • Alakamisy 04 Martsa 2010

Averina any amin’ny vahoaka ny fahefana. Ny Malagasy no masi-mandidy amin’ny hoaviny.

Teny miverimberina ireo, arakaraky ny maha atomotra ny datin’ny 16 martsa hilatsahan’ny sazy iraisam-pirenena amin’izay mampikatso ny famahana ny krizy eto Madagasikara. Fananganana Antenimieram-panorenana (Assemblée Constituante) no antony hamerenana any amin’ny vahoaka ny fahefana sy ny hanaovana fifidianana ny depiote, araka ny filazan’ny mpitondra mahefa.

 
Ny Antenimieram-panorenana, araka ny fanazavan’ny mpahay lalàna, dia andrimpanjakana natao handrafitra lalampanorenana sy hananganana rafi-panjakana raha mbola tsy misy izany, toy ny nitranga tany Frantsa taorian’ny revolisiona frantsay ny taona 1789 sy ny nitranga teto Madagasikara ny taona 1959. Mazava ny voalazan’ny Satan’i Maputo fa vaomieram-pirenena hamaky fanindroany ny lalàm-panorenana sy ny rijan-teny fototra hafa no hapetraky ny Filankevim-pirenena momba ny fampihavanana na CNR fa tsy “Assemblée Constituante” hahitana depiote vaovao. Efa misy koa ny Kongresin’ny Tetezamita sy ny Filankevitra Ambonin’ny Tetezamita misahana izany araka ny Satan’ny Tetezamita ihany.
 
Noho izany, dia tsy misy antony manokana tokony hifidianana depiote intsony raha ny lalàna misy no heverina. Raha lany ny lalampanorenana vaovao dia mitsahatra ihany koa ny asan’ny “Assemblée Constituante”, arak’izany anarana izany, fa tsy ho sady depiote mandidy dia homana, fa depiote managana rafitra vaovao. Tsy anjarany no manendry ny Praiminisitry ny tetezamita satria efa misy ny Praiminisitry ny marimaritra iraisana nifanarahan’ny ankolafin-kery efatra sy ny fianakaviamben’ny Firenena Mikambana. Mazava ny satan’ny tetezamita, fa mitsahatra ny asan’ny Praiminisitry ny tetezamita rehefa voafidy izay ho Filohan’ny Repobilika vaovao ka voatendry izay hitantana ny Governemanta.
 
Marihina anefa fa ny filazana ny anarana hoe praiminisitra amin’ny Repoblika fahaefatra dia fitsabahana sy fisalovanana sahady amin’izay mety ho endrik’izany Repoblika izany, izay tokony ho ny lalampanorenana voahitsy sy ny vahoaka andriamanjaka no tokony hanapaka izany amin’ny alalan’ny fitsapan-kevibahoaka. Raha “régime présidentiel” mantsy no lany toy ny tamin’ny Repobilika voalohany sy ny misy any Etazonia, dia tsy misy ny praiminisitra fa ny Filoha no sady Prezidan’ny Repobilika no lehiben’ny governemanta. Raha ny filazan’ny mpitondra ankehitriny dia Praiminisitra no ho lehiben’ny governemanta ary avy ao amin’ny depiote maro an’isa no manendry azy, kanefa araka ny hita hatramin’izay, dia ny Filoha no manendry ny lehiben’ny governemanta. Ny safidy voalohany dia mampihen-danja ny fahefan’ny Filoha toy ny endrim-pitondrana misy any Angletera, Pays-Bas, Danemark, ireo firenena Scandinaves. Mifanaraka amin’izany ve ny zava-misy ankehitriny sa fampandriana adrisa fotsiny?
 
Fa tsy izany ihany fa fitsabahana ny andraikitr’izay handrafitra ny volavolam-panitsiana lalàmpanorenana sy ny vahoaka andriamanjaka ny manapaka izany mialoha raha tsy hoe mpitam-penina fotsiny ireo manam-pahaizana momba izany ary tapenam-bava ny vahoaka fa sarintsarim-pifidianana no hatao. Raha raikitra ihany anefa fa hatao ny fifidianana depiote amin’ny volana mey, ny dikan’izay dia misafidy depiote tsy misy rafitra ara-dalàna satria sady nofoanana izany ny lalampanorenan’ny Repobilika fahatelo no tsipahina ihany koa ny Satan’i Maputo. Ny hevitr’izany dia tsotra : fanonganam-panjakana vaovao indray.
 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • POLITIKA sy RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila mailo ihany ny tanora

  • RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Tsy nanao amboletra naka Fitondrana

  • KOLONELY PATRICK
  • Zoma 17 Aprily 2026

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Nomena ny TIM ny fitantanana

  • Kolonely RANDRIANIRINA MICHAEL
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Indroa saika hisy hamono

  • FIKAONANDOHA, FANAVAOZANA
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila mafy amin’ny serasera ny fanjakana

Hijery ny tohiny
FTT