Politique

Antenimiera 2 tonta Tsy misy ilana azy intsony ?


  • Alakamisy 08 Jona 2017

Tsy misy mandeha amin’ny laoniny intsony eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao, izay mbola porofon’ny tsy fahazakan’ny HVM ny fitondrana saingy minia mitapikitra toy ny dinta eo amin’ny seza ihany ny fanjakana tarihin-dRajaonarimampianina.

Tsy mifankahazo ny fahefana mpanatanteraka sy ny fahefam-pitsarana. Mitazam-potsiny kosa ny fahefana mpanao lalàna manoloana izany, kanefa ny filohan’ny antenimieram-pirenena sy ny antenimierandoholona no tokony hijoro ho raiamandreny hanelanelana saingy tsy izay no miseho. Ny loholona sasany aza moa mijoro ho fahavalon’ny mpitsara noho ny fiarovany ny mpanao kolikoly, toa an’ i Riana Andriamandavy VII sy ny loholona voafidy tany Ampanihy. Tsy nisy na kely aza fanapahan-kevitra noraisina manoloana ny fihetsika manala baraka ny andrim-panjakana tahaka izany, fa dia tazanim-potsiny na dia miteraka leson-dratsy ho an’ny olom-pirenena aza. Raha vantanina ny resaka sy ny zava-misy ankehitriny, dia tsy misy ilana azy intsony ny rafitra napetraka, satria tokony ho arofanina sy mpanitsy ny dian’ny fitondrana tsy hivaralila ary tokony afaka hanome tsindry ny governemanta manoloana ireo toe-javatra tsy tambo isany tsy mandeha amin’ny laoniny eto amin’ny firenena. Tsy izay anefa no miseho fa lasa mivaona tanteraka satria na ny filohan’ireo andrim-panjakana ireo aza dia toa efa lasa mpisolelaka sy ataon’ny fanjakana HVM fitaovana, ka toy ny efa tsy manan-tsafidy intsony noho izy ireo mety efa voavidin’ny fanjakana tanteraka. Atao mahagaga ve raha samy manao izay saim-patany ny olona ? Tsy resahina intsony ny zava-misy any anaty biraom-panjakana isan-karazany any fa dia manao izay danin’ny kibony, ka efa tsy vaovao intsony ny resaka fanararaotam-pahefana, ny kolikoly… Ny sehatra tsy miankina ihany koa mialokaloka any amin’ny hoe krizy, ka maro ny tsy manaja ny zon’ny mpiasa. Tian-kano tsy tian-kano ny fiakaran’ny vidim-piainana ankehitriny saingy tsy mahita izay vahaolana horaisina ny fanjakana fa ny mamono afo sy fampanantenana poakaty no tena misy.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT