Politique

Antenieram-pirenena Tsimbazaza Volavolan-dalàna 2 hahazoana misambo-bola no lany


  • Alarobia 21 Jona 2017

Solombavambahoakan’i Madagasikara niisa 37, omaly talata 20 jona, no nandany tsy nisy nitsipaka ireo volavolan-dalàna manome alalana ny

 fanaovan-tsoniam-pifanarahana hahafahana misambo-bola amin’ny any ivelany izay anisan’ireo volavolan-dalàna nodiniana sy nolaniana tao amin’ny fivoriana nitambarambe azon’ny maro natrehana tamin’io omaly io, dia eo aloha ny volavolan-dalàna laharana 011-2017 tamin’ny 24 mey 2017 hahazoam-bola mitentina 52.500.000 SAR na Ryals Saoudiens avy amin’ny fifanarahan’ny Repoblika Malagasy sy ny FSD na Fonds Saoudien de Développemant hanatanterahana ny tetikasa fanaovana tara ny lalana Soanierana Ivongo Vahibe. Ny faharoa dia ny volavolan-dalàna laharana 014/2017 tamin’ny 6 jona 2017 hahafahana manao sonia ny fisamboram-bola amin’ny AFD na Agence Française de Développement mitentina 25.000.000 Euros hanatanterahana ny tetikasa PADAP na « Projet Agriculture Durable par Approche Paysage » hikarakarana lemaka any SAVA, Analanjirofo, Sofia ary Boeny. Tsorina fa ireo depioten’i Madagasikara zatra ny mamonjy fivoriana ara-potoana tsy tapaka ihany no saika tazana tao amin’ny efitrano fivoriana teny Tsimbazaza omaly.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT