Politique

Antehiroka Voalohany amin’ny fanohanana ny Filoha Ravalomanana


  • Talata 12 Jolay 2011

Namory ny mpikambana fototra Tiako i Madagasikara tao amin’ny Kaominina Antehiroka, Distrikan’Ambohidratrimo, tao amin’ny Espace Safran, ny mpitarika eny an-toerana notronin’ny solontenan’ny Birao politikan’ity antoko naorin’Atoa Marc Ravalomanana ity ny sabotsy 09 jolay lasa teo.

 Nitarika ny delegasiona teny an-toerana ny Depiote isany Jules Andriamaholison (Boriborintany I - Antananarivo Renivohitra) sy Ravelonanosy Mamitiana (Ankazobe) ary ny Filohan’ny Filankevi-paritra Ihorombe, Andriampilamanana Rostand. Ny Ben’ny tanànan’ny Kaominina Antehiroka, Randrianarison Patricia Andriantavison kosa no nitarika ny mpikambana ao an-toerana. Nanamafy Rtoa Ben’ny tanàna fa nijoro hatrany Antehiroka ary voalohany amin’ny fanohanana ny Filoha Marc Ravalomanana. Nisy ny fanazavana nentin’ny Dr Jules Andriamaholison makasika ny dingana misy ny famahana ny krizy amin’izao fotoana, izay nisian’ny fivoriana nataon’ny Filankevi-pilaminana sy fandriampahaleman’ny Vondrona Afrikanina tany Addis Abeba ny 07 jolay lasa teo. Tsy nisy zavatra tapaka tamin’io, ka amin’ity herinandro ity indray no handinihina ny sori-dalana hamoahana an’i Madagasikara amin’izao krizy izao, satria tsy mifanaraka tamin’ny fehin-kevitry ny SADC ny hevitra naroson’ny mpanelanelana teo anatrehan’ny Filankevi-pilaminana sy fandriampahaleman’ny Vondrona Afrikanina tany Addis Abeba. Mitohy ny tolona, hoy ny Depiote Jules Andriamaholison, mandra-piverin’ny ara-dalàna, sy iverenan’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana sy hirotsahany hofidiana ho filoham-pirenena, hoy ireo nifandimby nandray fitenenana. Nanamafy izany ny depiote Mamy Tiana Ravelonanosy sady nanentana hatrany ireo mpikambana Tiako i Madagasikara eny Antehiroka ho tonga eny an-kianjan’ny Magro Behoririka, hanamafy ny tolona.

 

Nangonin’i Jean D.

 

Sary : Hetsiky ny Tiako i Madagasikara tao Antehiroka

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT