Namory ny mpikambana fototra Tiako i Madagasikara tao amin’ny Kaominina Antehiroka, Distrikan’Ambohidratrimo, tao amin’ny Espace Safran, ny mpitarika eny an-toerana notronin’ny solontenan’ny Birao politikan’ity antoko naorin’Atoa Marc Ravalomanana ity ny sabotsy 09 jolay lasa teo.
Nitarika ny delegasiona teny an-toerana ny Depiote isany Jules Andriamaholison (Boriborintany I - Antananarivo Renivohitra) sy Ravelonanosy Mamitiana (Ankazobe) ary ny Filohan’ny Filankevi-paritra Ihorombe, Andriampilamanana Rostand. Ny Ben’ny tanànan’ny Kaominina Antehiroka, Randrianarison Patricia Andriantavison kosa no nitarika ny mpikambana ao an-toerana. Nanamafy Rtoa Ben’ny tanàna fa nijoro hatrany Antehiroka ary voalohany amin’ny fanohanana ny Filoha Marc Ravalomanana. Nisy ny fanazavana nentin’ny Dr Jules Andriamaholison makasika ny dingana misy ny famahana ny krizy amin’izao fotoana, izay nisian’ny fivoriana nataon’ny Filankevi-pilaminana sy fandriampahaleman’ny Vondrona Afrikanina tany Addis Abeba ny 07 jolay lasa teo.
Tsy nisy zavatra tapaka tamin’io, ka amin’ity herinandro ity indray no handinihina ny sori-dalana hamoahana an’i Madagasikara amin’izao krizy izao, satria tsy mifanaraka tamin’ny fehin-kevitry ny SADC ny hevitra naroson’ny mpanelanelana teo anatrehan’ny Filankevi-pilaminana sy fandriampahaleman’ny Vondrona Afrikanina tany Addis Abeba. Mitohy ny tolona, hoy ny Depiote Jules Andriamaholison, mandra-piverin’ny ara-dalàna, sy iverenan’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana sy hirotsahany hofidiana ho filoham-pirenena, hoy ireo nifandimby nandray fitenenana. Nanamafy izany ny depiote Mamy Tiana Ravelonanosy sady nanentana hatrany ireo mpikambana Tiako i Madagasikara eny Antehiroka ho
Nangonin’i Jean D.
Sary : Hetsiky ny Tiako i Madagasikara tao Antehiroka
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.