Mandeha ny feo hatramin’ny omaly fa hosoloina ny PDS-n’Antananarivo renivohitra Atoa Edgar Razafindravahy ka anarana miverimberina hasolo toerana azy amin’izany Atoa Augustin Andriamananoro filoha mpiara-mitantana ny komity manohana ny eny amin’izao fotoana ary efa ministry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra teo aloha, no sady mpanolotsainan’ny filohan’ny FAT.
Araka ny ritsoka re mantsy dia tsy milamina intsony ny fifandraisan’ingahy PDS amin’ny fitondrana foibe, ary maro be ireo tsy fitovian-kevitra. Fa araka ny tombantomban’ny mpanara-baovao dia ny fanomezana ny ankolafy telo toerana teny amin’ny Malacam mba hanaovan’izy ireo famoriam-bahoaka no vao mainka nahatezitra ny fitondrana foibe tamin’ny PDs sy ny ekipan’ny kaominina, ary nisy mihitsy moa ny fanakanana avy hatrany avy any amin’ny prefektora ka nilazana fa tsy azo ampiasaina mihitsy ny kianjan’i Malacam raha resaka politika ivelan’ny propagandy, no sady misy mpianatra manao fanatanjahantena ao ary misy mpilalao baolina lavalava mampiasa matetika ihany koa. Mibaribary eto ny tsy fitovian-kevitra, fa mbola loharanon’ny tsy fifankahazoana ihany koa araka ny vaovao voaangona ihany ny fanamboarana ny Hotel de Ville etsy Analakely.
Azo antoka aloha fa raha toa ka misy izany fanoloana ny PDS eto an-drenivohitra izany dia tsy ho ato ho ato aloha fa tsy maintsy any aorian’ny fifidianana, satria hanalefaka hatrany ny herin’ny fitondran’ny FAT izany no sady hanaratsy endrika ny tetezamita mikarakara fifidianana, kanefa hampitombo ny lanja politikan’i Edgar Razafindravahy izay azo antoka fa ho kandida amin’ny fifidianana ben’ny tanàna. Mbola sarotra ny raharaha, araka izany, satria tena fanapahan-kevitra politika, hisy akony eo amin’ny tontolo politika ny fanoloana ny PDS n’Antananarivo renivohitra. Ho hita eo ny tohiny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.