Politique

Antananarivo Renivohitra Augustin Andriamananoro no ho PDS ?


  • Alarobia 24 Novambra 2010

Mihazakazaka ny toe-draharaha taorian’ny nahavitan’ny fitsapan-kevi-bahoaka ny 17 novambra iny.

Hisy ny fanavaozana ny mpikambana ao amin’ny governemanta. Samy nomena iraka moa izy ireo ary nisahana distrika roa na telo isan’olona tamin’ny fanentanana ny olona hifidy, eny hampandany ny ENY mihitsy aza, ka mety handao ny toerany izay ratsy vokatra tamin’iny. Mbola misy toerana enina hitaty izay voailika tsy ho ministra koa moa ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita, ka asa na ho avy amin’izy ireo izany. Hitatra any amin’ny Faritra sy ny Kaominina sasantsasany koa ny fanendrena olona. Izay Faritra ratsy voka-pifidianana, ka ambany ny taham-pandraisan’anjaran’ny mpifidy ary koa ambany ny vokatra azon’ny ENY dia kely ny herijika hijanonany amin’ny toerany.

Mihozongozona noho izany ny toeran’ny Lehiben’ny Faritr’i Bongolava, izay Faritra hany tokana nandresen’ny TSIA raha ny vokatra vonjimaika azo hatreto, toy izany koa Analamanga izay vitsy mpifidy. Antananarivo renivohitra indrindra indrindra izay nalaina ny mpifidy na nandresy aza ny ENY eo no mandeha ny resaka fa mety hosoloina ny filohan’ny delegasiona manokana hitantana ny Kaominina. Ho valim-pitia tamin’ny nampandreseny ny ENY, izay nahazo salan’isam-bato teo amin’ny 74,13% teo raha ny vokatra vonjimaika navoakan’ny CENI, dia mandeha ny feo fa hotendrena ho PDS, hasolo an’i Edgar Razafindravahy PDS am-perinasa, i Augustin Andriamananoro, talen’ny fampielezan-kevitra avy ao amin’ny Komity mpanohana ny ENY ary ministry ny fifandraisan-davitra sy ny paositra ary ny teknôlôjia maoderina tao amin’ny governemanta Roindefo.

Araka ny loharanom-baovao dia tsy levon’ny vavonin’ny mpitondra ankehitriny ny nanomezan’ny PDS am-perinasa toerana ny Ankolafy Telo tao amin’ny Malacam hanaovana famoriam-bahoaka, koa mba tsy hanindroa na hanintelo izany dia aleo izy hosoloina olona azo fehezina. Sao manam-paniriana hirotsaka hofidiana na Ben’ny tanàna io na filoham-pirenena koa ny PDS am-perinasa dia aleo asintaka sao makamaka fon’ny olona amin’ity fitetezana Fokontany narahina fizarana fanomezana, indrindra teny amin’ny EPP sy fampanantenana hafa tao ho ao ity sy ny fanokafana tsena koa. Ho hita eo …

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT