Tonga ny mpandeha, ny mpanamory tsy hita. Niesona tao amin’ny seranam-piaramanidina Antalaha efa ho adim-pamantaranandro iray latsaka ny delegasion’ny governemanta notarihin’ny
praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier ny zoma 10 martsa teo. Tsy firindran’ny fandaharam-potoana no niteraka ny fangalapiery. Samy tany an-toerana nijery ny takaitra vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Enawo ny filoha sy ny praiminisitra. Nandeha helikôptera avy any Maroantsetra ny filoha ary namantana avy hatrany tao amin’ny kianja monisipalin’Antalaha. Nandeha fiaramanidina kosa ireo mambran’ny governemanta notarihin’ny praiminisitra ary niantsona ao amin’ny seranam-piaramanidina. Tamin’ny sivy ora no tokony ho nahatongavan’ireto mpitondra ireto tany an-toerana saingy nisy fahatarana ora telo ny fahatongavan’ny filoha, hany ka nanala fehi-tenda manga hatramin’ny mpanotrona, ny andro rahateo nafana nigaingaina. Tamin’ny 11ora no nihazo an’Antalaha, 12km miala ny seranam-piaramanidina ny delegasionan’ny governemanta. Tokony ho amin’ny roa ora sy sasany latsaka teo no tafaverina tao amin’ny seranam-piaramanidina ireto farany. Tsy tratra tao an-toerana ireo mpanamory fa nitady sakafo tany an-tanànan’Antalaha noho ny fiovan’ny fandaharam-potoana, niala antsasakadiny talohan’ny nahatongavan’ireo minisitra. Tamin’ny telo ora tolakandro ireo mpanamory vao tafaverina. Niesona niandry teo ireo manampahefana, izay tonga tanam-polo nanatitra kabary sy fampanantenana rahateo.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.