Politique

Anosy Nosakanan’ny olona ny fitsarana an’ingahy Fetison


  • Talata 19 Oktobra 2010


Olona an’aliny no indray tonga tetsy Anosy omaly, teny amin’ny lapan’ny fitsarana, mba ho fanohanan’izy ireo ny antso nataon’ireo mpitarika ny Ankolafy Telo tao amin’ny Magro Behoririka ny sabotsy lasa teo. Tsy navelan’ny olona hotsaraina i Fetison Rakoto Andrianirina sy i Yves Aimé ary nosakanan’ny olona mihitsy ny varavarana tsy hidiran’ireo ao amin’ny lapam-pitsarana. Tonga teny an-toerana ihany koa ny Profesora Zafy Albert ary mainka nanambony ny moralin’ireo olona ny fahitana azy. Tsy raikitra, araka izany, ny fitsarana ireo mpitari-tolon’ny ankolafy telo. Manoloana ny zava-misy dia niezaka ny nanaparitaka ny olona ny Emmo-Far izay notarihin’ny Kolonely Ravalomanana Richard. Nafàna fo io farany tamin’ny fitarihana ireo miaramila ary izy mihitsy aza no nitsofoka tany anaty olona tany. Tao anatin’izay fifangaroana izay no nisy lehilahy iray izay namely katrodoha an’ity manamboninahitra zandary ity. Tezitra mafy ity farany ary ny tenany mihitsy no nanenjika ilay olona. Tsy tratra anefa io fa efa niporitsaka. 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT