Politique

Anosy Nilanja sorabaventy ny Otrikafo


  • Alakamisy 07 Oktobra 2010


Herintaona lasa izay dia baomba mandatsa-dranomaso avy amin’ny Emmo-Reg no nitsena ny Otrikafo teo Anosy, anoloan’ny Carlton, raha nanao fihetsiketsehana fanoherana ny GIC. Natao teto tamin’io talata 06 oktobra 2009 io ny fivoriana faha-3 nataon’ny GIC momba ny raharaha Madagasikara. Ny filohan’ny vaomieran’ny Firaisambe Afrikana, Jean Ping, mihitsy no tonga teto nitarika ny fihaonana. Tsy nisy nanatrika io kosa anefa ireo filohan’ny ankolafy efatra, dia ny Pr Zafy Albert, Didier Ratsiraka, Marc Ravalomanana ary i Andry Rajoelina. Nilanja sorabaventy ny Otrikafo sady nitabataba, manohitra ny fitsabahan’ny vahiny amin’ny fandaminana ny krizy eto, izay ambaran’izy ireo fa raharahan’ny Malagasy ka ny samy Malagasy ihany no mitady vahaolana amin’izany. Herintaona aty aoriana, asa na fifanojoan-javatra na nofidiana mihitsy ny datin’ny 06 okotobra, fa niverina teo amin’io toerana io ihany ry Rajaonah Andrianjaka sy ny olony, nilanja sorabaventy fanoherana ny SADC. Asa moa raha nisy nihaino izy ireo. 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT