Loza amin’atambo ary mifanohitra tanteraka amin’ny fomba fisainana tena Malagasy ny fanolanana misy etsy sy eroa, hoy i Annick Ratsiraka, araka ny resaka nifanaovana taminy omaly.
« ...tena tsy fahita teto ny hoe olona sahy manolana masera na zazakely izany », hoy izy. Mbola zava-doza tsy azo ekena koa ny resaka fitsaram-bahoaka, izay midika fa tsy mahatoky ny fitsarana sy ny mpitandro ny filaminana intsony ny vahoaka, hoy hatrany izy. Marary ny sosialim-bahoaka raha ny fahitana azy, hoy i Annick Ratsiraka izay « secrétaire administrative » an’ny antoko Arema. Ny fanaovana fampihavanana aloha no tena maika raha ny filazany satria maro ny zavatra mikorontana eto. Averina hianarana any an-tsekoly ihany koa ny resaka fahaiza-miaina sy ny andraikitra amin’ny maha olom-pirenena ary tokony hojerena akaiky ny fametrahana lalàna sy fepetra hifehezana ny fitobaky ny zava-dratsy sy zava-doza avy amin’ny haino aman-jery sy ny fitaovan-tserasera misy amin’izao fotoana, hoy hatrany ny fanazavany. An-kilan’izay, fantatra fa 66 ny akanin-jaza mbola mijoro tsara sy miasa amin’izao fotoana raha toa ka 129 tamin’ny 1989. Manampy ny ankizy 1 ka hatramin’ny 6 taona ny akanin-jaza no sady manome asa ny vehivavy. Maimaimpoana ny sakafo sy fanampiana taloha saingy efa misy fandraisan’anjara arak’izay takatra kosa amin’izao fotoana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.