Politique

Ankolafy Zafy Albert Tsy mbola matoky ny fiarahamonim-pirenena !


  • Alatsinainy 26 Jolay 2010


Tsy matoky loatra ny fiarahamonim-pirenena hahavita dingana lavitra noho ny nataon’ny mpanelanelana avy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny famahana ny krizy eto Madagasikara ny ankolafy Zafy Albert, araka ny nambaran’i Manoro Regis taorian’ny fihaonan’ity ankolafy ity tamin’i Joaquim Chissano. Nanambara moa ny Dr Manoro Regis fa efa nampahafantatra izany ahiahin’izy ireo izany tamin’i Chissano. Tsy misy afa tsy ny fampiharana izay efa nifaneken’ireo ankolafy 4 ihany no tena vahaolana araka, ny fahitan’ny ankolafy Zafy Albert azy ; ary na misy aza ny hevi-dehibe avy amin’ireo karazana dinika sy fihaonana karakaraina amin’izao fotoana dia tokony hampifanarahana amin’ny fonjan-kevitry ny satan’i Maputo sy izay nifampidinihana tany Addis Abeba sy Pretoria izany. Tsy ity ankolafy ity ihany no manana ahiahy amin’ny hetsika fanelanelanana ataon’ny fiarahamonim-pirenena fa mpanao politika sy fikambanana ary vondrona politika maro. Araka ny filazan’izy ireo mantsy dia olana politika no nahatonga ny krizy, ka tsy maintsy vahaolana politika hifampiresahan’ny mpanao politika no hamahana izany. Hanahirana ihany mantsy hoy, ny hevitry ny mpanao politika sasany, raha toa ka tafiditra ao anatin’ny resaka politika koa ny fiarahamonim-pirenena. Efa iaraha-mahita rahateo fa maro ny mpanao politika mialokaloka any anatin’ireny ambara fa vondron’ny fiarahamonim-pirenena ireny. 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • Gérard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT