Na dia hoe ankolafy telo aza no voalaza fa manambatra ny heriny ao anatin’ilay hoe ankolafy Madagasikara ivondronan’ny firehana Ravalomanana, Zafy Albert ary Ratsiraka, dia ireo 2 voalohany ihany no hita mavitrika eny an-kianja efa ho am-bolana maro izao.
Mirantiranty eny an-kianja moa ny sarin’ireo filoha telo mitarika izany ankolafy izany. Ny alatsinainy teo àry dia solontena telo avy amin’ny ankolafy Zafy Albert no indray nandray fitenenana teny amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka. Nambaran’ny pastora Edouard fa tsy manda ny fifampiresahana ny ankolafy. Tsy sarotiny ihany koa amin’ny fitadiavana vahaolana saingy efa nisy ny dinika natao tany Maputo, Addis Abeba, Pretoria niafara tamin’ny sonia nefa natao tsinontsinona ireny. Hisy ny dinika, hoy izy, ary io no ho farany. Mahomby io dia tsara, tsy mahomby io dia tsara. Vita hatreo izay natao tambony latabatra, ka dia hiroso amin’ny eny an-dalambe. Efa misy ny tsirim-panantenana, hoy izy, fa efa ao anaty sambo iray ny ankolafy telo izay tsy nitovy hevitra taloha. Araka izany dia midanadana ny lalana ho amin’ny Fampihavanana. Ho an’ny dokotera Julien, dia tokony hangina amin’izay izay tsy mahavita azy. Miandry an’i Andry Rajoelina ny any amin’ny faritra toy ny any Manakara. “Miantso anareo Antananarivo mbola tsy tonga saina”, hoy ihany izy. Miombona tolona amin’Antananarivo manko ny zanaky ny faritra satria efa mitaraina sy mijaly, hoy kosa Rtoa Justine, avy amin’ny ankolafy Zafy ihany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.