Mety hamoaka fehin-kevitra amin’ny fampiharana ny satan’i Maputo sy ny fifanarahana tovana tany Addis Abeba amin’ity anio ity ny ankolafy Zafy Albert.
Efa andro maromaro no nandinihan’ireo mpanao politika sy teknisianina teo anivon’ity ankolafy ity izay fomba ahafahan’ny rehetra manaiky sy miara-mampihatra izany fifanarahana nosoniavina izany. Araka ny tsiliantsofina re dia misy karazana fanitsiana kely sy fanalefahana ny fepetra sasany, ao anatin’ireo fifanarahana roa ireo nataon’ny ankolafy Zafy Albert mba tena hisian’ny marimaritra iraisana. Mety hampahafantarina ny vahoaka izany, amin’ity andro anio ity, ary hozaraina dika mitovy amin’ny ankolafy Ratsiraka, Ravalomanana ary Rajoelina. Tetezamita iaraha-mitantana moa no tsy maintsy hatsangana eto satria izay ihany no eken’izao tontolo izao, izany hoe antoka tokana amin’ny fitohizan’ny fanampiana sy fiaraha-miasa. Nikatso anefa ny fifampidinihana ary tsy mbola nisy mihitsy ny fampiharana ny satan’i Maputo, fa dia nijanona tamin’ny fanendrena ireo filohan’ny andrim-panjakana izay tsy afaka niasa ara-dalàna akory. Samy resy lahatra ny rehetra fa avy any amin’ny ankolafy Rajoelina foana hatrizay no nisian’ny sakana amin’ny firosoana amin’ny famahana ny krizy, ka manantena indray ny rehetra fa hahay handefitra sy hifanaraka amin’ny ankolafy rehetra amin’izay manomboka izao ny ankolafy Rajoelina fa tsy hanao be marenina intsony, ary hiara-dalana amin’ny besinimaro amin’izay fa tsy hitsivalana afovoan-dalana tahaka ny fanaony. Raha tsy izany mantsy dia tsy tafavoaka mihitsy i Madagasikara fa dia hitombo fahasahiranana isan’andro satria governemantan’ny firaisam-pirenena ahitana ny ankolafy rehetra no tsy maintsy atsangana eto, fa tsy hoe ahitana ankolafy 1 na 2 na 3 fotsiny.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.