Politique

Ankolafy telo Tsy miova ny lalana : ny fiverenana amin’ny ara-dalŕna


  • Talata 29 Jona 2010

Raha ny ankolafy Ravalomanana irery ihany teo aloha no nitaky ny fiverenan’i Madagasikara amin’ny ara-dalŕna, dia ireo ankolafy telo, ireo filoham-pirenena voafidim-bahoaka telo mirahalahy, Pr Zafy Albert, ny amiraly Didier Ratsiraka ary Marc Ravalomanana izay tsy nifankahazo teo aloha no miray hina ankehitriny hamerian izany ara-dalŕna izany.

Na maro aza ny resaka mandeha fa misara-bazana ireto ankolafy telo ireto dia nambaran’ny teny amin’ny kianjan’ny finoana, Magro Behoririka omaly fa “na iza ho faly na iza tsy ho faly dia tsy miala eny an-toerana ny ankolafy telo”. Tetsy an-danin’izany, dia nambaran’ny depiote Mektoub fa “lasa vato misakana eto amin’ny firenena ny miaramila”. Nanafatra anefa ireo filoha telo, araka ny fanazavana, fa tsy manilika ny foloalindahy saingy tsy mankasitraka ny fisandohan’i Andry Rajoelina. Voalaza manko fa efa tsinontsinona intsony ny filohan’ny FAT ankehitriny. Tetsy an-kilany, nambaran’ity solontenan’ny ankolafy Zafy ity ihany fa “tsy misy afaka manakana ny fodian’ny filoha Ravalaomanana, na iza na iza”. Ny filoha ihany, hoy izy no afaka mandrindra ny fiverenany an-tanindrazana. Nohamafisin’ity mpitari-tolona ity fa “ho avy tokoa Ravalomanana ka dia hiahaka eo ireo mpanatsatso amin’ny fahatongavany”. Tanam-polo sisa ny an’ny Malagasy satria mahantra loatra, hoy ihany i Mektoub el Camille raha nitsikera ny sary famantarana ny faha-50 taona nahazoan’i Madagasikara fahaleovantena. “Henatra ho an’i Gasikara ireny fomba nankalazan’ny mpanongam-panjakana ny fetim-pirenena ireny”, hoy ihany izy. Nohamafisin’ireo mpitari-tolona moa fa dia tsy avela hangina ny kianjan’ny finoana manomboka izao. 

Nangonin’i Soa  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT