Politique

Ankolafy Telo Tsy mihemotra ny tolona


  • Zoma 03 Septambra 2010

Nandamoka avokoa izay dinika rehetra nataon’ny FAT hatreto, hoy Rtoa Justine, avy amin’ny ankolafy Zafy Albert. Na inona lazaina na inona, hoy izy, mbola ny Ankolafy Telo no mpandresy.

Ny hanalava ny tetezamita no tanjon’ny FAT, ary dia miandry ady izy ireo, hoy kosa ny filohan’ny filankevi-paritra Ihorombe. Momba ny raharaha tokantranon’ny TIM kosa dia novakiany bantsilana fa tsy nanome alalana ny RegTim Antananarivo ny faritra Ihorombe fa misoloky ireo milaza izany, araka ny fanazavany. Ankoatra izany dia ambara, hoy izy fa tsy vahaolana ny satan’i Maputo, kanefa tsy nampiharina akory. Nahitsy koa ny filazan’ingahy Rostand fa “izahay tany amin’ny faritra tsy nanala an-dRavalomanana teo, fa ianareo Antananarivo no nanala azy koa andraikitrareo ny mamerina azy”, hoy izy. Ao anatin’izany andraikitra izany, hoy Rtoa Lalao, solontenan’ny Komity mitaky ny fampanjariana ny satan’i Maputo, ny famenoana ny kianja, ny fampaherezana ireo hita fa miraviravy tanana. Tetsy andanin’izany dia niantso ny tafika handini-tena i Dauphin, tanora avy amin’ny ankolafy Zafy Albert. Ny ankamaroan’ny miaramila manko dia avy any atsimo avokoa, araka ny fanazavana. Toliara izay milamina kely ankehitriny satria an-dalam-pivoriana ireo mpitari-tolona. Hafatra no napetrak’i Toliara, araka ny nampitain’ingahy Dauphin dia ny tokony hivononan’Antananarivo satria hanampy Toliara. Tsy hihemotra intsony ny tolona ary ny fialan’i Andry Rajoelina no vahaolana, araka ny fanazavany.

 Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT