Politique

Ankolafy telo Tsy ‘démagogie’ ny resaka atao


  • Talata 04 Mey 2010

«Aza mihevitra ianareo fa tantara valamaty na ‘démagogie’ no resahina eto», hoy i Camille Mektoub, ny solombavambahoaka avy amin’ny ankolafy Zafy Albert. Araka ny vaovao nampitainy tao amin’ny kianjan’ny Finoana Behoririka omaly, dia efa milamina daholo ny resaka amin’izany.

Misy zavatra andrasan’ireo mpitarika, hoy izy ka aoka isika hitandrina na amin’ny fihetsika na amin’ny fiteny. Mizara roa ny Malagasy amin’izao fotoana izao, vokatry ny zavatra nataon-dRajoelina sy ny Frantsay, hoy izy. Eo ireo Malagasy tia tanindrazana, mitana ny teny nomeny hatramin’ny farany ary mikatsaka hatrany izay hahasoa ny firenena sy ny vahoaka ; eo kosa anefa ireo Malagasy mpivarotra tanindrazana. Momba ny CENI napetraky ny FAT indray dia nambaran’ity olom-boafidy ity fa ho rava tsy ho ela izany. Hiaraha-mahita amin’izao fotoana izao fotoana izao, hoy kosa ny solombavambahokan’i Mananara fa dia i Andry Rajoelina no sakana, tsy hampandroso an’i Madagasikara, hamonoana ny Malagasy. «Aoka isika hijoro ary haharitra hatramin’ny farany», hoy ity olom-boafidy ity. «Raha tsy miverina any Pretoria Rajoelina dia handray andraikitra ny vahoaka Malagasy», hoy ihany izy. Raha mamaky ny satan’i Maputo sy ny fifanarahana tovana tany Addis Abeba, hoy ihany izy, dia ny FAT sy ireo mpikambana ao aminy no tena hahazo tombontsoa satria izy ireo no nandroba, namono olona, nanimba fanan’olona. Tsy matahotra fifidianana ny ankolafy telo, araka ny fanazavana ihany, tsy hamelona ny frantsay izahay Malagasy, hoy ihany ity solontenan’i Mananara. Fa anisan’ny nisongadina teny amin’ny kianjan’i Behoririka ihany koa ny tenin’ny solontenan’ny tanora izay niantso ny vahoaka eto Antananarivo hivoaka, hitsangana hanohitra hitolona fa tsy mety intsony izao zava-misy izao. 

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT