18 volana mahery izao no nisian’ny hetsi-bahoaka nanoherana izao fitondrana najoro tsy ara-dalŕna fa nalaina tamin-kery izao. Ny alahady sy ny andro fety ihany no tsy nahitana hetsika. Nisy fotoana aza na dia alahady sy andro fety mbola nahitana hetsi-panoherana ary dia mbola mitohy mandrak’androany izany.
Omaly àry dia nivoitra tetsy amin’ny kianjan’ny finoana, Behoririka fa dia tompon’andraikitra feno amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao, ingahy Ratsirahonana, araka ny fanazavan’ny Rév. Satrobory. Raha amin’izao koa no hisy fifidianana, hoy izy, dia lehilahy ireo mpikambana na mpiara-dia amin’ny FAT raha hahazo 10% eto Antananarivo, amin’ny fifidianana izay hatao. Ho an’ireo mpitolona ao amin’ny Magro Behoririka, hivondronan’ireo mpiara-dia amin’ny Ankolafy Telo, dia Ratsiraka, Ravalomanana ary Zafy Albert dia tsotra ny resaka. Raha hisy ny fifampidinihana dia tsy maintsy averina aloha ireo sesitany, araka ny fanazavan’ny depiote Mamitiana, voafidy tao Ankazobe (Analamanga).
Tsy ny fanaovana fivoriana na sonia no ilain’ny firenena fa ny fialan-dRajoelina, hoy kosa ny pasitera Edouard. Ka izay vahaolana manolotra azy ho filoha dia tsy ho ekena mihitsy, hoy izy. Hatreto aloha, hoy ny depiote Rodin, voafidy tao Arivonimamo (Itasy) dia tsy nisy namokatra izay nataon’ny FAT. Notsiahiviny ilay sambo nolazaina fa hitondra kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro, nokabariana teny amin’ny kianjan’ny 13 mey tamin’ny 2009. Tetsy andanin’izany dia takian’ny Ankolafy Telo koa, ny famohana ny radio Fahazavana, ny famoahana ireo gadra politika sy mpanao gazety. Mitaky ny hamerenana ny fitaovany sy ny fanany koa ny radio Fahazavana. Mampijaly ary tsy mijery izay vahoaka na ny UDR-C na ny Escopol, hoy kosa ny mpikambana eo anivon’ny kongresy Camille Mektoub nahitsy. Niantso ny vahoaka ny tenany hanamafy ny tolona. Niantso ny tafika koa izy handray andraikitra. “Tohany ny Ankolafy Telo handray fahefana”, hoy ihany i Mektoub omaly.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.