Politique

Ankolafy Telo tao Vohémar Nanao ampamoaka goavana


  • Talata 14 Septambra 2010

Mitohy ny fitsidiam-paritra ataon’ny Ankolafy Madagasikara (Albert Zafy, Didier Ratsiraka, Marc Ravalomanana) ka ny tanŕnan’i Vohémar no nanombohana azy omaly Alatsinainy 13 Septambra 2010 any amin’ny faritra SAVA.

Teo amin’ny kianja malalaka filalaovana baskety ao an-tanàna no namoriana olona. Tsy nitsitsy teny ny Profesora Albert Zafy nanameloka ny fanondranana an-tsokosoko sy an-taoniny maro ny hazo sarobidy toy ny voamboana na “palissandre” sy ny andramena na “bois de rose” amin’izao fotoana izao. Porofo maro narahina antontan-taratasy isan-karazany no nentiny nanamarina fa tsy afa-miala amin’ny fahafahan’ireo hazo sarobidy ireo mivoaka ny firenena Malagasy izao fitondrana misy ankehitriny izao ary vokatry ny tsy maha-ara-dalàna io fitondrana io ny tsy fahafehezana ny fanondranana an-tsokosoko azy ireo. Eo ihany koa ny vatosoa betsaka trandrahana orinasa tsy mbola nahazo alalana ka manao antsojay ny faritra efa trandrahan’ny vahoaka an-taonany maro amin’izao fotoana izao.

Misy ny hilaza, hoy ihany ny Profesora teo am-pamaranana, fa eritreritra hanakorontanana ny fihaonambe nasionaly karakarain’ny fitondrana FAT amin’ny alalan’ny Raimandreny Mijoro nanomboka omaly no nahatonga izao ampamoaka izao. Tsy noho izay velively nefa, hoy izy fa matoa mbola mitohy ny fitrandrahana io hazo sarobidy io mandraka ankehitriny, na dia teo aza ireny sarintsarina fidinana ifotony hijery ny zava-misy sy ny fanambarana maro nataon’ny praiministry ny FAT sy ny ministra sasantsasany tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ireny vao tsy ela akory izay, dia noho ny tsy fahafantaran’ny vahoaka ny zava-misy marina sy ny halafosam-bidin’ireo hazo ireo eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ary ny tsy maha ara-dalàna ny fitrandrahana azy amin’izao fotoana izao no tena anton-dia aty am-potony hampandre ny vahoaka fa ho lany tamingana ao anatin’ny fotoana fohy ny haren’ny faritra SAVA raha izao no mitohy.
 
Lalan-tany mirefy 160km ratsy dia ratsy no mampitohy an’Ambilobe sy Vohémar ka ora folo eo ho eo no hanaovana an’izay ampahan-dalana izay raha maina ny andro. Mahagaga ihany raha ny harena ananan’ny faritra SAVA toy ny lavanila sy ny hazo sarobidy isan-karazany no jerena kanefa ny fotodrafitrasa hivezivezen’ny entana dia mbola tsizarizary toy izao mandraka ankehitriny. Ny tendrombohitr’i Madirobe amin’ny lalana mankany Vohémar, ankoatra ny any Analanjirofo no tena ahitana ny “bois de rose” sy ny “palissandre” eto Madagasikara. Raisina efatra arivo ariary ny bolabola mirefy roa metatra iray tonga eto Vohémar, hoy ny fanazavana azo avy amin’ny tantsaha monina aty amin’ny faritra SAVA ka orinasa mpanodina hazo iray no hanaterana ny entana. Izy avy eo no mandefa azy any amin’izay tompon’ny kaomandy mila ny hazo. Manana seranan-tsambo ihany koa ny tanànan’i Vohémar izay vao nitarin’ny fitondram-panjakana teo aloha vao tsy ela izay.
 
Nasian-teny koa ny antony mampisatra ny famahana ny krizy. Tamin’izany no nilazan’ny Pr Zafy fa te ho filohan’ny Repoblika i Andry Rajoelina.ka mitady ny fomba rehetra hampitarazohana ny tetezamita. Ho an’i Lalatiana Ravololomanana dia ny fialan’i Andry Rajoelina sy ireo mpiara-dia aminy no vahaolana. Ny kaonferansa nasionaly ataon’ny FAT eny Ivato nanomboka omaly kosa no nitondran’i Fetison Rakoto Andrianirina resaka. Toy ny tsy misy io ary tsy hisy hankato izay tapaka ao araka ny nambarany, toy ny nivadihan’i Andry Rajoelina tamin’ny sonia nataony sy nekeny teo anatrehan’izao tontolo izao. Ankehitriny nanala tena tsy ho ao anaty ankolafy intsony i Andry Rajoelina, ka ny mety aminy dia ny miala tanteraka satria ny fijanonany eo no vao mainka hampikatso ny firenena indray. Atsaharo ny famafazana lainga, hoy ity lehiben’ny delegasion’ny ankolafy Ravalomanana ity, raha nitodika manokana tamin’ny haino amanjerim-panjakana izay nambarany fa nilaza fa nandray anjara tamin’io fihaonambe eny Ivato io ny GIC eto an-toerana. Tsy marina izany araka ny nambarany.
Hitohy any Sambava sy Antalaha ny dian’ny Ankolafy Telo aorian’ny tao Vohémar.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT