Politique

Ankolafy Telo Ny fialan-dRajoelina no vahaolana !


  • Talata 31 Aogositra 2010

Diso ny filazan’ny filohan’ny FAT fa teknikan’ny fitsitsiana no ataony amin’ny hoe tsy hivezivezen’ireo ministra sy mpikambana FAT any ivelany, ny tsy hanaovan’ny ministera asa betsaka.

Ny tena marina, hoy i Zafilahy Stanislas dia tsy afaka mankany ampita izy ireo noho ny sazy izay mihatra aminy sy ny tsy fisian’ny vola. Momba ny fitsarana ny raharaha 7 febroary indray dia fanontaniana no napetrany raha toa ka tsy ra latsaka ny tamin’ny 26 janoary, ny teny Ambohijatovo sy Anosy sy ny maro hafa ? “Ho avy ny fitsarana tena izy ary efa manana ny antontan-taratasy ny iraisam-pirenena”, hoy ihany i Zafilahy Stanislas. Mahamenatra ny zava-misy ankehitriny, araka ny fanazavana, satria na ny onjam-peo vahiny, toy ny RFI aza dia mandatsa, hoy ihany i Zafilahy Stanislas. Hampihavana sy hampandroso an’i Madagasikara no tanjon’ny Ankolafy Telo, hoy izy. Ny an-dRajoelina indray dia ny resaka hopitaly sy fonja no atao ambentin-teny. Izany hoe rehefa tsy migadra ny vahoaka dia marary. Tsy izany anefa no tanjona tamin’ny fotoanandron’ny filoha Ravalomanana satria laharam-pahamehana ny fahasalamana, ny sakafo ary ny asa.

Manoloana ireo rehetra ireo dia tsotra ny nambaran’ny solontenan’ny komity mitaky ny fampanjariana ny satan’i Maputo. “Main’ny afo natsangany ny FAT ka hanangana fonja ankehitriny”, hoy izy. Na ny solontenan’ny ankolafy Zafy, Rtoa Justine, na ny avy amin’ny UDEM Pro dia samy nilaza fa ny mahamaika amin’izao dia ny fialan’i Andry Rajoelina. Raha tena hanao fitsarana tokoa isika, hoy i Johnson, dia tokony ho ny fitsarana ny 26 janoary no nalefa nialoha. Miomana ianareo, hoy izy, fa tsy afaka ny hiaro tena intsony isika manomboka eto, satria raha misy mangalatra ao an-trano ka tratr’ireny herinaratra amin’ny fefy ireny, dia ianao indray no higadra sy handoa onitra. Tsy afaka hiandry intsony isika, hoy ihany izy fa simba ny lalàna. Manoloana izany dia anisan’reo laharam-pahamehana sady mahamaika ny Ankolafy Telo dia ny hanala an-dRajoelina, hoy ihany i Johnson, avy amin’ny UDEM Pro. 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT