Mitohy ny fihaonan’ny iraky ny SADC amin’ireo firehana politika misy eto. Nanamarika ny fotoanan-dry Dr Simao omaly ny fihaonany tamin’ny praiministra Camille Vital teny Mahazoarivo. Na dia fitsidihana ara-pomba fifanajana ihany aza ity dia nahafahan’ny iraky ny SADC nahafantatra ny hevitry ny FAT amin’ny famahana ny krizy eto. Ny tolakandro dia nifandimby noraisin’ity iraka ity tao amin’ny hotely Carlton ny delegasion’ny Ankolafy Telo. Namaky lay ny Ankolafy Ravalomanana notarihin’i Fetison Rakoto Andrianirina, nanaraka ny delegasiona Zafy Albert notarihin’ny Dr Rakotovahiny Emmanuel ary namarana azy ny delegasiona Ratsiraka, notarihin’ny Pr Ange Andrianarisoa.
Mazava ny fanambaran’izy ireo, dia ny hoe tokony hitady vahaolana haingana hamaranana izao krizy izao, ka tsy misy afa tsy ny fiverenana an-databatra boribory miverina mifampidinika ihany no lalana amin’izany. Lany andro eto fotsiny hisisika hanao fifidianana, nefa tsy hahazo fankatoavana iraisam-pirenena akory, hoy izy ireo. Ny Dr Simao, mitarika ny iraka, moa nilaza fa izay hahitana vahaolana iraisana ihany ny azy ireo. Nanamafy ny fahavononany hanohana ny diniky ny samy Malagasy izy ireo, ary manantena ny fivondronan’ny fiarahamonim-pirenena hampanjary izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.