Politique

Ankolafy Telo Mivonona handray fitondrana


  • Zoma 20 Aogositra 2010

“Tsy misy anti-panahy afaka hitondra fehendrena eto Madagasikara fa mandainga avokoa”, hoy i Camille Mektoub, solontenan’ny ankolafy Zafy Albert, nikabary tao amin’ny Magro Behoririka omaly.

Notsoriny fa tsy nandray an’i Andry Rajoelina izany intsony ny lehiben’ny firehany (Pr Zafy Albert), ary efa nisy fotoana nilazan-dRatsirahonana tamin’izy ireo ny amin’ny tokony hiaraha-miasa amin’ny FAT fa hanifihana kosa ny ankolafy Ravalomanana. Tsy mitombina ary tsy manan-kery, hoy ihany i Mektoub ny taratasy misokatra nalefan’ny tale kabinetran’i Andry Rajoelina ho an’ny filohan’ny CNR Zafy Albert. Tokony havoaka ampahibemaso ny votoatin’ireny karazan-taratasy ireny, hoy izy fa tsy atao miafina. Tsy ho an-dRajoelina na Ratsirahonana intsony ny fitondrana fa ho antsika, hoy izy. Koa aoka isika hahay sy ho vonona handray fitondrana. Nohamafisiny fa noho ny zavatra nataon’i Andry Rajoelina sy ny ekipany no nahatonga ny firenena voasazy. Tetsy andanin’izany dia antso no nataon’ny depiote Rodin fa “rehefa tsy mahay ianareo ao amin’ny FAT dia ento ny entakelinareo, dia avelao ny seza”, hoy izy. Tsy milamina ny tany, hoy izy saingy matahotra ny vahoaka. Nohamafisiny ihany koa fa tsy mbola nivadika na namadika samboady izy ireo na dia vidiana aza izany. 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT