“Takiana ny famoahana tsy misy fepetra ireo gadra politika, ny fampitsaharana ny fampihorohoroana sy fandrahonana, ny fanalalahana ny fanehoan-kevitra isian’ny fitoniana. Mandray ny fametraham-pialan’Atoa Rajoelina tsy ho mpitarika ny ankolafy Rajoelina, ary mitaky ny fanoloana azy, hirosoan’ny famahana ny olana. Manamafy fa ny fandavan’Atoa Rajoelina ny Satan’i Maputo sy ny Tovana tany Addis Abeba, indrindra ny tsy nanatanterahany ny hevitra notinapaky ny mpitarika ny ankolafy efatra, ny tsy fisian’ny hery fampiharana, dia manala azy tsy ho isan’ny mpandray anjara amin’ny fitadiavana vahaolana kanefa tsy manafoana velively ny fifanarahana vita sonia sy neken’ny rehetra”.
Anisan’ireo hevi-dehibe niarahan’ny Ankolafy Zafy, Ratsiraka sy Ravalomanana nanapaka nandritra ny fivoriana “Fiaraha-mientana hivoahana amin’ny krizy” nataon’izy ireo tao amin’ny Carlton, Anosy, ny 13 sy 14 aogositra 2010 ireo. Fivoriana nandinihan’izy ireo ny sakana tamin’ny fampiharana ny Satan’i Maputo sy nijerena koa ny hanamafisana ny tokony hampiharana azy io hampitsaharana ny krizy eto Madagasikara. Nandritra io roa andro io koa no nanaovan’ny Ankolafy Telo fandinihana lalina ny raharaham-pirenena sy ireo fehin-kevitra mivoaka etsy sy eroa. Tao aorian’izany no nilazan’izy ireo fa “ny fifanarahana ara-politika nosoniavin’ireo antoko politika nivondrona tao amin’ny «Espace de concertation» sy Atoa Rajoelina teny Ivato ny 13 aogositra 2010, dia mbola fanapahan-kevitra samirery ihany, manamafy ny fitohizan’ny fanonganam-panjakana, ny fiverenan’ny tsy fanarahan-dalàna ary ny fanitsakitsahana ny fifanarahana iraisam-pirenena”. Mahatsapa koa ny mpizaika tao amin’ny Carlton fa “ny fifanarahana nosoniavin’ireo antoko politika dia misandoka ny fiarahana sy ny fifanarahana ary manilika ny tsy fitanilana satria mametraka an’Atoa Rajoelina ho mpitarika ny tetezamita sy miantoka ny fanjakazakany”. Iny fifanarahana voasonia iny koa, ho azy ireo, dia “mbola mampiseho ny fanapahan-kevitr’olon-tokana ialokalofan’Atoa Rajoelina”. “Voaporofo eto fa zava-dehibe sy maika ny fampiharana ny Satan’ i Maputo sy ny Tovana tany Addis Abeba ary indrindra ny fanohizana ny fanelanelanan’Atoa Joaquim Chissano”, hoy ny Ankolafy Telo, izay nampahatsiahy tamin’ny fanambarana nataony fa “ny Satan’i Maputo dia antoka amin’ny fiverenan’ny fanampiana sy ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena ary ny fametrahana ny rafi-panjakana sy ny tetiandrom-pifidianana”.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.