Tsy ekena ny resaka ankoatra ny tapaka tany Sandton, hoy i Tsianihy Sazalahy tetsy amin’ny Kianjan’i Magro Behoririka omaly.
Rehefa manapa-kevitra ny Filoha Ravalomanana hoe hody dia tsy hisy hasakana azy, hoy ny nanampian’ny mpitari-tolona iray izany. Pasitera Edouard Tsarahame indray kosa no nitondra setriny manoloana ny familivian-dresaka ataon’ireo diplaomaty mozambikana, manao fanelanelana amin’ny raharaha Madagasikara.
“Teneno izay teneninareo fa izahay mahazaka demokrasia, tokana ihany ny anay. Mody Ravalomanana sy Ratsiraka, no fantatray», hoy izy. Matahotra ny momba izany ny FAT, hoy ny fanazavan’ny mpitari-tolona hafa, ka tamin’ny herinandro dia nitety faritra mba hanakanana ny fodian-dRavalomanana nefa nandamoka izany satria miandry azy ny fifidianana ary mitaky ny fiverenany ka izay no tsy afahan’i Andry Rajoelina manondro daty hanaovana fifidianana toy ny fanaony tao anatin’izay 27 volana izay. Nampieritreritra azy koa fangatahan’ny olona maro nanoina ny antson’ny Rodobe tao amin’ny Carlton ny talata 21 jona teo, ny hampiharana eto Madagasikara ny «Accord de Cotonou», izay midika fa tsy mitondra ny mpanongam-panjakana.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.