Fitsarana politika no natao teny Anosy omaly, hoy ny Ankolafy Telo. Tsy naha tribonaly ny tribonaly ny zava-nitranga teny an-toerana, araka ny tatitra nataon’ny Rév. Andrianalijohn Andriamanampy na Satrobory.
“Hafa ny tahotra taloha”, hoy izy. Tsy amin’ny alakamisy izao ihany no hanehoan’ny vahoaka ny heriny fa dia hampijaliana hatrany ny FAT, hoy Satrobory. Lalàna efa tsy mandeha nefa mbola hirosoan’ny FAT ihany, hoy Dr ny Julien, avy amin’ny ankolafy Zafy Albert. Raha ny momba ny dinika natao teny Ivato, ohatra, dia teny tokana no ilazan’ny SADC iny karazam-pivoriana iny, hoy i William, avy amin’ny Union for Democratic Process na Alliance Démocratique teo aloha dia ny hoe “Tsy azo itokiana”, adika amin’ny fiteny frantsay hoe : “tsy crédible”. Raha nanao sonia ilay hoe “fifanarahana” manko ireo olona nilaza ho nisolo tena antoko politika dia tsy nisy nametraka anarana na ny anarany na ny antoko politika niaviany, afa tsy i Andry Rajoelina. Anisan’ireo nandray anjara tamin’iny dinika iny moa ingahy Raharinaivo izay nambaran’ny solombavambahoaka voafidy tao Beloha Androy, Fanantera Longin fa notondroina no nahazoan-dRaharinaivo ny toerana maha mpitondra tenin’ny TIM fa tsy nofidiana. Araka ny fanazavana ihany dia notambazana vola ireo vondron’olona tarihin-dRaharinaivo izay mbola miantso mpiara-dia moa hatramin’izao, araka ny vaovao.
Mila atevenina ny ekipa, araka ny fanazavana satria mety hivadika ankolafin-kery faha-5 ny Espaco dia ilay Sehatra ifanakalozan’ny antoko politika. Raha ny fantatra dia na ireo olona lasa any aza misalasala, hoy ny depiote Longin izay nanamafy fa “raha tsy tetezamita iarahana dia tsy hanaiky izahay na hamoizana aina aza”. Raha tsy ireo filoha telo mirahalahy no mitarika ny delegasionany dia tsy ekenay satria vahaolana samy Malagasy no tadiavina kanefa ny sasany ailika. Manoloana izany indrindra moa dia miantso ny vahoaka handray andraikitra ny tenany. Ho an’i Mektoub dia nambarany fa fanomezana andraikitra an’Antananarivo ity tolona ity satria izy no faritra zokiny indrindra amin’ireo faritra rehetra. Niverenan’ny depiote Mektoub moa ny tohin’ny dinika teny Ivato sy ny Dinika Santatra. “Nahoraka ny fanomanana sy ny famaranana ny Dinika Santatra saingy nitsefotra ny tohiny”, hoy izy. Tsy araka ny fanantenan-dRajoelina ny vokatra, hoy izy, ka dia nosoloina indray ilay “espace”. Araka ny fanazavan’ity mpikambana eo anivon’ny kongresy araka ny fifanarahana tovana voasonia tany Addis Abeba ity dia Maputo ihany ireny fa nohamafisina ny hoe filohan’ny tetezamita Rajoelina sady filohan’ny CNR. Ny mahagaga anefa, hoy izy, olona tsy tia fihavanana no omena toerana ho amin’izany. Nanamafy moa i Mektoub fa na ho vy na ho vato dia hitory hatrany ny fihavanana izy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.