Ara-dalàna, fandresena, fampihavanana, finoana, fanantenana sy ny hafa tsy voatanisa, samy anarana kianja noforonina teto amintsika daholo ireo, tato anatin’ny herintaona nisian’ny krizy politika.
Nivadibadika sy nifindrafindra toy izany koa ny lalana narahina sy ny tanjona nokendrena. Tany am-piandohana, 21 martsa 2009, tsaroana tsara nanomboka teny amin’ny kianjan’Ambohijatovo ka hatreny amin’ny tokotanin’ny Magro dia ny hiverenan’i Marc Ravalomanana no tarigetra, avy eo dia ny fiverenan’i Madagasikara amin’ny ara-dalàna. Vahoaka an’alina, teto an-drenivohitra, no niray hina sy niray fo ny hahatongavana amin’izany tanjona izany. Rehefa samy resy lahatra ny rehetra fa tsy maintsy mizotra amina tetezamita dia niova kely ny fitakiana dia ny hoe : «TSAR», izany hoe : «Tetezamita Tsy misy an’i Andry Rajoelina». Mbola teny amin’ny Magro Ankorondrano no nifamotoana ny rehetra. Rehefa vita moa ireny sonia tany Maputo ireny izay nifaneken’ny rehetra fa tsy maintsy ny ankolafy efatra, dia ny ankolafy Rajoelina, Ravalomanana, Ratsiraka ary Zafy Albert no hiara-hitantana ny tetezamita dia nifanekena fa i Andry Rajoelina no hitondra ny tetezamita iraisana miaraka amin’ireo filoha mpiara-mitantana. Nolavin’i Andry Rajoelina indray moa ny fampiharana izany fifanarahana izany ka dia izao niova izao ny fitakiana dia ny hampanjariana ireo fifanarahana tany Maputo sy Addis Abeba. Niray hina ireo ankolafy telo nahatsiaro ho nailika.
Nanomboka teo dia somary nihena hery ny tolona. Tsy dia araka ny nantenaina satria noheverina fa tokony hanome hery ny hetsi-bahoaka ny fahatongavana ankolafy roa be izao kanefa toa vao mainka aza nanalefaka azy izany. Nanomboka teo koa ny fifindra-monina eo amin’ny kianja, ny nivoaka niditra ny kianjan’i Magro Ankorondrano. Nihena araka izay koa ny risipon’ny olona. Samy mimenomenona any an-tsainy any fa ny fanatanterahana izany, arahin’asa dia mampametra-panontaniana. Vao tsy ela, raha ny zavatra niseho tamin’iny faran’ny herinandro iny no resahina, nilaza ireo mpitarika fa ho avy avokoa ary dia eny Ambohijatovo no tanjona na inona hidona na inona hitranga. Nialoha ny nitatao vovonana ny fotoana nifanomezana tamin’ireo vahoaka. Ny zavatra nitranga anefa dia tsy tazana teny amin’ny Magro Behoririka ireo mpitarika raha tsy efa dila lavitra ny fotoana nifanomezana. Ankoatra izay dia nilaza izy ireo rehefa tonga fa hijanona ao amin’ny kianjan’ny Finoana ihany hisorohana ny herisetra sy ny fifandonana amin’ireo miaramila. Raha vao naheno izany dia tsy vitsy ireo nimenomenona ka nivoaka. “Somary diso fanantenana kely satria izahay efa nihevitra fa nanana paikady ireo mpitarika”, Hoy Nathalie. Raha ny zavatra hita sy niainana hatramin’izay tokoa aloha, tato anatin’ny herintaona dia tsy maintsy nisy foana ny fifandonana. “Fanina kely aho hoe aiza marina no tena hitondrana azy ity fa efa ela loatra nefa tsy mety misy mangirana”, hoy kosa i Naina. “Na dia eo aza izany rehetra izany, dia tsy maintsy mandresy ny tolona, saingy mangataka amin’ireo mpitarika mba ho matotra tsara”, hoy Josiane.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.