Politique

Ankolafy telo Hiverina eny Ambohijatovo indray anio


  • Alakamisy 08 Aprily 2010

Hatramin’ny 17 martsa lasa teo dia nivoaka ny kianjan’ny ara-dalàna ireo ankolafy telo : Ravalomanana, Ratsiraka ary Zafy Albert. Nanomboka teo dia nivezivezy teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey ireo mpitolona mitaky ny fampiharana ny Satan’i Maputo sy Addis Abeba ho fampanjariana ny fiainam-bahoaka.

Nifanenjika sy nanao ankiafina tamin’ireo mpitandro ny filaminana saika ho isan’andro izy ireo. Tsy vitsy ireo nosamborina kanefa dia tsy nampihemotra azy ireo izany. Hatramin’ny 17 martsa no ho mankaty dia ny talata lasa teo vao afaka naneho hevitra nandritry ny minitra vitsy izy ireo, avy eo dia noravan’ireo mpitandro ny filaminana indray. Araka ny vaovao àry dia eny Ambohijatovo ireo ankolafy telo no hifamotoana anio maraina manomboka amin’ny 11 ora. Manoloana izany indrindra dia miantso ny hery velona rehetra, ny vahoaka mahatsiaro fa tsy manjary izao fitondrana sy fiainam-pirenena izao i Rakotoamboa Jean Louis haneho ny heviny ary hifampizara vaovao ihany koa. Etsy andanin’izany, momba ny resabe eo anivon’ny tafika dia nambaran-dRakotoamboa Jean Louis avy amin’ny antoko Teza fa adihevitra mitombina ny zava-mitranga eo anivon’ny tafika ankehitriny izay efa tokony ho natao hatramin’izay. Raha ny fanesorana ny minisitra misahana ny fiarovam-pirenena eo anivon’ny FAT, dia nambaran’ny filoha nasionalin’ny Teza ihany fa lojikan-javatra ireny. Tsy afa-bela amin’izao krizy izao ny foloalindahy, hoy ihany izy. Manoloana izany indrindra dia nanainga ny tafika ny tenany hiaro ny satan’i Maputo sy ny fifanarahana tovana tany Addis Abeba. Araka izany dia mety hahiana indray ny hisehoana sakoroka sy famoretana eny Ambohijatovo anio. Raha ny zavatra hita ankehitriny aloha dia taratra fa tsy hanaiky izany fanehoan-kevitra an-kalamanjana hataon’ireo mpanohitra azy ny FAT, mitondra ny fanjakana ankehitriny. Dia ho hita eo ny ho fihetsik’izy ireo.

 
Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT