Tsy niandry ela ny valin-kafatry ny Ankolafy Telo taorian’ny tsy nanomezan’ny Kaominina azy ireo ny kianjan’Ambohijatovo hanehoana hevitra.
Omaly 25 Oktobra 2010 ihany dia nilaza ny Ankolafy Telo, araka ny taratasy nosoniavin’i Fetison Rakoto Andrianirina, fa sarotra ho azy ireo ny hangina eo anoloan’ny valin-teny voarainy mikasika ny fangatahana toerana hamoriana vahoaka an-kalamanjana. “Moa ve tsy anjaran’ny fitantanana ny tanànan’Antananarivo ny manome alalana hampiasa toerana araka izay angatahin’ny mpangataka ? Ny an’ny Prefen’ny Polisy dia ny fahazoan-dalana hamory vahoaka”, hoy ny taratasy. Ilaina hampahatsiahivina ve, fa Atoa Rajoelina Andry, niaraka tamin’ny Malagasy fony izy Ben’ny tanànan’Antananarivo, mihitsy no nitokana ny kianjan’Ambohijatovo ho “kianjan’ny demokrasia ?”, hoy ihany ny taratasy. Nodradradradraina fa hatao “toerana hanehoana amin’izao tontolo izao fa sarobidy ny “demokrasia” ka tokony hohajaina. Nivadika ny rasa ankehitriny ka lasa niova sata ho toerana fialam-boly izany, hoy ny fanamarihan’ny Ankolafy Telo. Aoka ho ny tenan’Atoa Rajoelina Andry mihitsy, nitokana io toerana io, hoy izy ireo no hanao filazana amin’ny vahoaka indray fa tsy kianjan’ny Demokrasia intsony io, ka tsy azo amoriana vahoaka, hanehoana hevitra.
Nohamarinin’ny Ankolafy Telo ary voaporofo, hoy izy ireo, fa tsy nisy nampiasa ny kianjan’Ambohijatovo, ny kianjan’Alarobia, ny kianja mitafo Mahamasina tamin’ny andro (sabotsy) nilan’izy ireo azy. Tsy mitombina araka izany ny filazana fa antomotra ny fametrahana ny fangatahana ka efa nisy nampiasa. Eo anoloan’izany dia tsapanay, hoy ny Ankolafy Telo, fa tena tsy misy ny finiavana hanome fahafaham-po anay, koa manamafy izahay, hoy izy ireo, fa toy ny rehetra mangataka dia «avelao izahay hisitraka ny zonay hanana fahafahana haneho hevitra amin’ny Malagasy amin’ny toerana angatahinay». Ny alakamisy 28, zoma 29 ary sabotsy 30 oktobra ho avy izao, no daty kasainy hampiasana io toerana io. Mandrapahatonga izany dia hanohy hatrany ny hetsika ao amin’ny Magro Behoririka izy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.