Politique

Ankolafy telo Hihamafy ny tolona


  • Alarobia 03 Martsa 2010

Tsy mipetraka any an-trano ny fitiavan-tanindrazana. Izany indrindra no antony iantsoan’ireo ankolafy Madagasikara : dia ny ankolafy Ravalomanana, Ratsiraka ary Zafy Albert ny vahoaka rehetra, tsy hanavahana sokajy, na lahy na vavy, indrindra ireo mpiasam-panjakana mba hiray feo sy hanamafy ny fitakiana fa tsy misy lalan-kivoahan’i Madagasikara amin’ny krizy raha tsy ny fampiharana ny satan’i Maputo sy Addis Abeba.

Manomboka anio, araka ny vaovao, dia hihamafy ny hetsika hataony. Hiainga eny amin’ny fokontany ny hetsika ka ho fantatra ireo komity misahana ny fiarovana ireo fifanarahana hisian’ny tetezamita iombonana sy iraisana. Etsy an-danin’izany, dia «entinareo any ny atrikasanareo fa ny ankolafy telo tsy mila an’io», hoy kosa i Mektoub, mpikambana eo anivon’ny kongresy avy amin’ny ankolafy Zafy Albert manoloana indrindra ny fihaonana hataon’ny FAT eny Ivato ny alakamisy sy zoma ho avy izao. «Fanonganana an’i Andry Rajoelina no ataon’ireo goaika antitra politika amin’io fihaonana io», hoy ny depiote Mamitiana Ravelonanosy nanamafy. Samy nanizingizina moa ireo ankolafy telo fa tsy hisy hanatrika izany fihaonana teny ifampierana atao eny Ivato izany.

Tsy misy antom-pisiany
Novakiana teny amin’ny kianjan’ny ara-dalàna omaly ny taratasy fanendrena mpanolotsaina ara-teknika eo anivon’ny fiadidian’ny Praiminisitra lefitra misahana ny fahasalamana. Notanisaina tao anatin’izany taratasy izany avokoa ny lalàmpanorenana, ny satan’i Maputo sy fifanarahana tovana tany Addis Abeba, ny didim-panjakana isan-karazany. Midika izany, hoy i Mektoub El Camille fa na dia ry zareo samy ao amin’ny FAT aza dia mahatsapa fa tsy misy antom-pisiany ny FAT. Tsy sahin’izy ireo manko ny nametraka tao anatin’ilay taratasy fanendrena ny didy hitsivolana nanafoanany ny fifanarahana Maputo sy Addis Abeba, hoy izy. Ankoatra izay dia tsy mbola nisy teto ambonin’ny tany, hoy ihany ity olom-boafidy ity ny hoe Antenimieram-panorenana ho lasa Antenimieram-pirenena. Tsy manara-dalàna izany. Nanentana moa ireto ankolafy ireto mba samy hiray hina sy haneho fitiavan-tanindrazana ny Malagasy tsirairay manoloana ireo tsy rariny rehetra ireo.
 
Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT