Politique

Ankolafy telo Hifanao velirano amin’ny vahoaka ireo delegasiona ho any Johannesbourg


  • Alakamisy 22 Aprily 2010

Hihazo an’i Afrika Atsimo ireo delegasiona avy amin’ny ankolafy telo, hiatrika ny fihaonana karakarain’ny Sadc. Mialoha ny 28 aprily anefa, araka ny fanazavan’ny loholona Rakotoamboa Jean Louis dia tsy maintsy hihaona amin’ny vahoaka ireo delegasiona.

Amin’io fotoana hihaonana io no hametrahana hafatra sy velirano amin’ireo delegasiona hihazo an’i Johannesbourg tsy hanaiky lembenana, tsy hiala amin’ny satan’i Maputo sy ny fifanarahana tovan’i Addis Abeba. Momba ny hetsika fampihavanana sy fifamelana karakarain’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana dia nambaran’ny filoha nasionalin’ny Teza fa hanatrika izany ireo solontena fito avy avy amin’ny ankolafy telo, dia ny ankolafy Ravalomanana, Ratsiraka ary Zafy Albert. Misy fepetra tokony harahina anefa, hoy izy raha hiroso amin’io fampihavanana sy fifamelana io. Voalohany amin’ireny ny famoahana ireo gadra politika rehetra, ny fampitsaharana ny fanenjehana etsy sy eroa. Eo koa ny tokony hanoloana ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Emmoreg sy ny fanafoanana ny FIS. Tadiavina ny hisiana filaminana marina, ahafahana miady hevitra marina dia ny fampiharana ny satan’i Maputo sy Addis Abeba. Rehefa miresaka fampihavanana dia tafiditra amin’izany ny lalana momba ny famoanan-tsazy ka haverina hody eto Ravalomanana sy Ratsiraka. Momba ity dia any Johannesburg ity ihany dia nambaran’i Jean Louis Rakotoamboa fa raha kisary hanomezana lanja ny hafa no hapetraka dia tsy hanaiky lembenana izy ireo. Tsy maintsy mitovy tantana ny ankolafy efatra ary fiaraha-mitantana no tokony hirosoana, araka ny fanazavana. Samy nanaovany antso avo avokoa moa na ireo miaramila na ireo vehivavy vadin’ireo mpitondra ao amin’ny FAT ankehitriny. Ho an’ny miaramila dia ny fiantsoana azy ireo hiara-hiasa hiomana, hihavana amin’ny fampanjariana ny satan’i Maputo sy ny fifanarahan’i Addis Abeba no dingana. Etsy an-danin’izany moa dia fantatra fa ho an’ny anio sy rahampitso dia eny amin’ny kianjan’ny finoana, eny Behoririka no hifamotoana ireo mpitolona avy amin’ny ankolafy 3, ny sabotsy kosa dia hisy hetsika lehibe, ny toerana moa no tsy mbola fantatra.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT