“Tsy ilaina ry vahoaka ny mimenomenona fotsiny fa andao hiara-hientana”, hoy i Manoela tetsy amin’ny kianjan’ny Magro nanentana ireo mpiara-dia amin’ny Ankolafy Telo. Fantatra àry, ankoatra ny fangatahan’ny Ankolafy Telo ny kianjan’ny Demokrasia fanindroany, dia hifamotoana eny Mahamasina ireo mpiara-mitolona amin’ity anio ity.
Tsy nambara mazava moa ny anton’io fifamotoanana io. Tsy mila rotaka na basy mipoaka isika, hoy Rév Ndriamanampy fa efa tsy ho ela ny fandresena. Momba ny fitsapan-kevi-bahoaka izay kasain’ny FAT hatao dia nambaran’i Dauphin, avy amin’ny Ankolafy Zafy Albert fa tsy mitovy hevitra ireo mpikambana eo anivon’ny CT sy ny CST. Ao ireo milaza fa tokony hahemotra izany, ao kosa anefa ireo mikiry biby ny amin’ny tokony hirosoana. Araka ny fanazavany dia efa nentin’ny birao maharitra teo anatrehan’ingahy Rajoelina izany. Ity farany moa dia nilaza ny mbola hieritreritra. Araka ny nambarany ihany koa anefa dia mety ho teti-dratsin’ireo mpikambana eo anivon’ny CT sy ny CST hijanonana lavalava kokoa hamenoana paosy izany. Tetsy andanin’izany dia nanambara ny pastera Edouard fa efa vita ny fanehoan-kevitra, efa vita ny ady politika fa ady amin’ny satana no hatrehina izao. Na dia malemy aza ny marina dia tsy maintsy mandresy, hoy izy. Nohamafisiny fa mety ho mafimafy ny fanenjehana ny Ankolafy Telo ato ho ato kanefa tsy hatao hahakivy izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.