Politique

Ankolafy Telo Hiala an’i Magro


  • Alakamisy 21 Oktobra 2010

Niverina tao Magro Behoririka ny Ankolafy Telo omaly raha somary niato kely ny hetsik’izy ireo ny talata. Feno hipoka ity toerana ity na sioka tokana ary tampoka ihany aza no nifanentanan’izy ireo.

Nambaran’ny mpitarika, tamin’ny sabotsy, fa tsy hipetraka ao intsony izy ireo. I Zafilahy Stanislas no nanazava ny antony omaly. “Tsy omby antsika intsony ity toerana ity”, hoy izy. Nanamafy izany ny tenin’i Fetison Rakoto Andrianirina, izay tonga tao amin’ny Magro omaly, sady fisehoana imasom-bahoaka voalohany koa ny azy io, taorian’ny niantsoan’ny zandary azy sy Rtoa Lalatiana Ravololomanana hatao fanadihadiana teny amin’ny borigady Betongolo ny talata 19 oktobra. “Fotoana mampangetaheta fahalalahana eto amin’ny firenena izao, fahalalahana haneho hevitra. Tsapanay koa fa ianareo vahoaka dia manana zo sy adidy ary saropiaro amin’izay hitondrana ny raharaham-pirenena”, hoy i Fetison. Noho izany, hoy ity lehiben’ny delegasiona Ravalomanana ity, dia nanapa-kevitra ny mpitarika fa dia “hotohizana izao tolona izao ka tsy hijanona raha tsy tafapetraka ny tetezamita tena izy ary miverina ny aran-dalàna”.

Nambarany fa efa niresaka tamin’ny tompon’andraikitr’ity Antananarivo ity izy ireo hanome toerana malalaka hahafahan’ny Ankolafy Telo sy ireo vondron-kery miara-miasa aminy maneho hevitra. Ny Ankolafy Telo moa no voalaza fa nanao sonia izany fangatahana izany. “Isika efa nilaza fa tsy hijanona eto (Magro) intsony ka tsy maintsy hataontsika izay handrenesan’ireo milaza fa mpitondra ny hetahetantsika vahoaka Malagasy mba tena hivoahatsika amin’izao krizy izao”, hoy izy. “Tsy hamela anareo hijoro irery izahay”, hoy i Fetison namarana ny teniny. “Aleo isika no hametraka tantara fa tsy isika indray no hotsarain’ny tantara”, hoy i Zafilahy manamafy. Maro ireo parlemantera nanotrona ity hetsika ity, tazana ry Ramamonjisoa Benjamin, Ratalata Georges. 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT