Politique

Ankolafy telo Hanoman-tena eny Tanjombato fa hiditra an’Ambohijatovo


  • Zoma 16 Aprily 2010

Nitohy nanamasaka ny tolona tao amin’ny Magro Behoririka ny ankolafy telo manohana ny ara-dalŕna omaly.

Fampieritreretana ny Malagasy amin’ny tetika mifono adim-poko kotrehin’ny Frantsay sy fampivondronana ny hery hiatrehana ny dingan’ny tolona amin’ny fampiharana satan’i Maputo no nifandimbiasan’ny mpanentana. Aoka isika hitandrina amin’ny tetika maizina ataon’ny vahiny amin’ny fifidianana, hoy i Tabera Randriamanantsoa. Avondrony ny hery, manana finoana ary aoka hohamafisina ny fihavanana, hoy kosa ny pasitera Edouard fa hiakatra ny kianjan’ny demokrasia eny Ambohijatovo amin’ny sabotsy, na dia mbola tsy nanome valin-teny mamela ny hanatanterahana izany aza aloha hatramin’ny omaly ny kaominina tompon’ny toerana na ny prefen’Antananarivo, amin’ny maha solontenam-panjakana azy. Mikasika izay dia nanambara ny depiote Tiako I Madagasikara voafidy tao Vavatenina, Zafilahy Stanislas, fa hifindra lasy kely ka hanoman-tena eny amin’ny Magro Tanjombato ny movansy telo amin’ity zoma ity, sady ho fanentanana ny eny Atsimondrano ihany koa. 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT