Politique

Ankolafy telo Handray fanapahan-kevitra amin’ity herinandro ity


  • Talata 18 Mey 2010

Melohin’ny ankolafy Madagasikara ivondronan’ny ankolafy Ravalomanana, Ratsiraka ary Zafy Albert ny famonoana mpanao gazety, ny fanakanana fanehoan-kevitra ara-politika, ny fanitsakitsahana ny fanehoan-kevitra an-kalalahana, ny tsy fandefasana ireo hetsiky ny vahoaka amin’ireo haino aman-jerim-panjakana.

Etsy an-danin’izany, nambaran’ny solombavambahoakan’i Brickaville, Leriva Manahirana, fa dia herinandro lehibe hanapahan-kevitra ho an’i Madagasikara ity herinandro ity. Tsy azo ekena, hoy izy, i Andry Rajoelina handeha samirery. Noho izany dia handray fanapahan-kevitra ny ankolafy telo. Fantatra ihany koa, araka ny vaovao fa amin’ity herinandro ity no hanapa-kevitra ry zareo Vondrona eoropeanina ny amin’izay sazy heveriny fa hampiharina amin’i Madagasikara. Manoloana ireo indrindra no hilazan’ireo solontenan’ireo mpiasam-panjakana fa na isika milavo lefona, na miharitra hatramin’ny farany. Ny foloalindahy, hoy i Rasomotra, solombavambahoaka avy any Soanierana Ivongo dia tokony hijoro ho tsy momba ny atsy na ny aroa. Izy no tokony hiaro ny vahoaka satria avy amin’ny vahoaka ny mpitandro ny filaminana, hiaro ny lalàmpanorenana, hiaro ny satan’i Maputo sy Addis Abeba. Nilaza kosa i Camille Mektoub fa resabe avokoa ny filazan’i Andry Rajoelina fa tsy hirotsaka hofidiana izy. Efa vonona ny logiciel avy amin’ny Frantsay, hoy izy. Araka ireo dia herinandro lehibe hamantarana izay ho lalana hizoran’i Madagasikara ity. Ho an’ny anio dia eny amin’ny kianjan’ny finoana Behoririka no hanohizan’izy ireo ny hetsika. 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT