Politique

Ankolafy Telo Hanao “sit-in” etsy Mahamasina


  • Zoma 29 Oktobra 2010


Telo andro izao, araka ny fanazavana, no nivezivezen’ny solontenan’ny Ankolafy Telo teny amin’ny Kaominina Antananarivo renivohitra, nangatahana fihaonana tamin’ireo tompon’andraikitra sy ny fangatahana alalana hahazoan’izy ireo maneho hevitra an-kalalahana. Araka ny fanazavan’i Rodin Rakotomanjato, depiote voafidy tao Arivonimamo, dia mandositra azy ireo ny tompon’andraikitra satria mivily lalan-kafa izy rehefa tonga ny tokoa. Na eo aza anefa izany, dia fantatra fa dia hifamotoana eny Mahamasina indray anio ireo mpanara-dia ny Ankolafy Telo. Tsy hisy ny fifampitam-baovao sy fanentanana eny amin’ny Magro Behoririka amin’ity anio ity fa dia hifamotoana eny Mahamasina izy ireo anio.

 Tolona avokoa manko, hoy i Jeanson, avy amin’ny UdemPro na ny manentana ny manodidina, na ny eny an-kianja ary na aiza na aiza satria tolona ho an’ny firenena iray manontolo ity, hoy izy. Fantatra, raha tsy misy ny fiovana, dia hitondra ny tatitra momba ny zava-misy aty Madagasikara eo anatrehan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena any Addis Abeba ny filoha Ravalomanana ny 29 sy 30 oktobra ho avy izao. Nomarihin’ny tetsy amin’ny Magro Behoririka ihany koa omaly fa mazava ankehitriny ny momba ny raharaha 7 febroary. Araka ny fanazavan’ingahy Dauphin, avy amin’ny ankolafy Zafy Albert dia tsy misy hidiran’ny filoha Ravalomanana mihitsy iny raharaha iny, raha ny porofo eo am-pelatanan’izy ireo, hoy izy nanamafy. 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT