Politique

Ankolafy telo Hanao hetsika goavana ao amin’ny kianjan’Alarobia


  • Alarobia 28 Aprily 2010

Miantso ny vahoaka malagasy ho tonga maro ao amin’ny kianja monisipalin’Alarobia amin’ny famelabelaran-kevitra izay hotontosain’ireo mpanao politika mitaky ny fampiharana ny satan’i Maputo anio alarobia manomboka amin’ny 10 ora maraina ireo komity mpikarakara isaky ny boriborintany.

Ilaina hoy Rasoaniaina Malalatiana mpitondra teny, ny fampivondronana ny hery hanamafisana ny tolona mba tsy hisy intsony ny savorovoro sy ny fifanenjehana eo amin’ny samy malagasy tsy mitovy hevitra. Tsy azo ihodivirana koa ny fifamelan-keloka sy ny fampihavanam-pirenena raha ny nambarany ihany satria samy tsy misy madio ireo mpanao politika mifanandrina amin’izao fotoana ary anisan’izany i Andry Rajoelina izay nanongam-panjakana. Nohamafisiny fa fiarovana ny tombontsoan’ny Frantsay no imasoan’ny filohan’ny FAT izay lasa sakana amin’ny famahana ny krizy hatramin’izay. Namaly ireo mangataka ny fanokafana ny dinika any Pretoria amin’ny hery velona rehetra kosa i Victor Wing Wong izay nanambara fa tsy maintsy ireo filoham-pirenena telo lanim-bahoaka sy ny filohan’ny FAT izay nitarika ny tolom-bahoaka tamin’ny taon-dasa ihany no tokony hiatrika izany. «Raha olona tsy manana izay sata izay no mandray anjara amin’ny fivoriana dia tsy hivaha mihitsy ny olana», hoy izy.

 

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT