Mitombina ny fitakian’ny ankolafy Ravalomanana manoloana ny zava-misy ankehitriny, dia ny hoe tetezamita tsy misy an’i Andry Rajoelina na ny «TSARA», hoy i Joachim.
Ho an’ny Alliance Démocratique indray dia heverin’izy ireo fa dia sarintsarim-pahaleovantena ihany no azon’i Madagasikara taona 1960. Na fahaleovantena politika, na toekarena dia tsy nananan’i Madagasikara. Adina harena ankibon’ny tany no misy eto amintsika, hoy i Hery, satria afaka 50 taona dia ho lany ny solika any amin’ny Afrika Arabo, ka dia hidina aty amin’ny faritr’i Madagasikara izany, antony tsy hamelan’i Frantsa antsika hobodoin’ny hafa fa hofikiriny samy irery. Hafatra àry no napetrak’izy ireo ho an’izay hitondra ny Repoblika faha-4. Ao anatin’izany ny fakana ny nosy “Juan de Nova» izay bodoin’ny Frantsay. Tsy tokony hiditra amin’ny fikaroham-bahaolana eto amintsika ihany koa i Frantsa, hoy ihany ny Alliance Démocratique satria hiaro ny tombontsoany no tena tarigetrany. Manoloana izany indrindra dia tokony ho vaindohan-draharahan’ireo izay mitondra ny Repoblika faha-4 ny fakana sy famerenana ny nosy “Juan de Nova» amin’i Madagasikara. Tetsy an-danin’izany, dia nambaran’i Camille Mektoub fa tsy ny fakan’ny miaramila ny fitondrana no hamaha ny krizy eto amintsika satria tsy hahazo fankatoavana iraisam-pirenena mihitsy. Tetsy an-kilany kosa dia nazava ny tenin’ny solombavambahoaka Zafilahy Stanislas : «Tsy ny vahoaka no hanala an’i Andry Rajoelina fa izy no hiala ho azy eo”.
Tsy azo lalaovina ny zavatra ataon’ny miaramila, hoy ihany ity olom-boafidy ity satria mpanao politika no nandatsaka ny firenena anaty hantsana. Araka izany, araka ny fahitany azy, dia tsy hanampy ny mpanao politika ny miaramila fa hanampy kosa ny vahoaka izay efa tena latsaka lalina tokoa. Manomboka amin’ity anio ity, hoy Zafilahy Stanilas dia manantena firaisan-kina avy amin’ireo mpitandro ny filaminana. Tokana ihany ny vahaolana, hoy izy, dia ny fampiharana ny tetezamita iraisana, tsy misy fanavakavahana. Tsy avela hanjaka ny fitiavan-tena satria samy hotsarain’ny tantara eto isika.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.