Tsy mikendry isam-bahoaka hanohana ny antso sady tsy tonga hanatitra kabary no anton-dian’ny Ankolafy Madagasikara aty amin’ny faritra SAVA, hoy ny mpandray fitenenana rehetra, raha nitsidika ny tanŕnan’Amboriala ao anatin’ny Distrikan’i Vohémar ry zareo ny Talata 14 Septambra 2010 fa kosa tena tonga hiaina mivantana ny fiantraikan’ny krizy mianjady amin’ny firenena amin’izao fotoana izao.
Lavitra ny toerana naleha sady tena saro-dalana tokoa. Noho ny fiangaviana sy ny fitarainan’ny mponina amin’io toerana io anefa nandritra ny fitsidihan’ny Ankolafy Telo ny tanànan’i Vohémar ny alatsinainy teo no nandrenesana fa ataona orinasa mitrandraka tsy ara-dalàna sady miara-miasa akaiky amin’ny mpitandro filaminana sy ny manampahefana sasantsany amin’izao fotoana izao ampihimamba ny faritra rehetra hitrandrahana vatosoa ao Amboriala efa ho herintaona izao.
Izay indrindra no antony nidinan’ny Ankolafy Telo, tarihin’ny Pr Albert Zafy sy Fetison Rakoto Andrianirina nidina ifotony, nanadihady ny zava-misy marina tany an-toerana. Samy nanamafy izy mirahalahy mianaka tamin’ny fandraisam-pitenenany fa “hovahana haingana io olana io ka afaka hiverina hiasa ankalalahana sady hofaritana mazava ny faritra azon’ny fokonolona trandrahana raha vao tafapetraka ny fitondrana tetezamita ara-dalàna sy hiaraha-mitantana”. Mbola nohamafisin-dRatoa Lalatiana Ravololomanana indray fa “vokatry ny tsy fahafehezana ny fanjakana sy ny fikorontanana eo anivon’izao fitondrana FAT izao ny fisian’ny fangejan’orinasa tokana ny harem-pirenena toy izao zava-misy aty Amboriala aty izao”. Hany foto-piveloman’ny mponina maherin’ny roa arivo mipetraka amin’io toerana io ny fitrandrahana vatosoa io. Tsikaritra nandritra ny fandalovan’ny Ankolafy Telo tany an-toerana fa tena sahirana ny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana izao, indrindra fa ny monina amin’ny toerana voafetra tahaka izao ny antom-pivelomany. Tsy afaka hampiana-janaka intsony ny ray aman-dreny amin’ity taom-pianarana vaovao ity kanefa anisan’ny faritra maro zaza madinika raha resahina ny momba an’Amboriala. Tsy afaka hanatona toeram-pitsaboana ihany koa raha misy marary satria lavitra sady ratsy ny lalana. Vokatr’izay, fitarainana maro no efa nalefa tamin’ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao saingy tsy mbola nandrenesana na dia sombiny aza ny amin’izay mety ho valin’izay fitarainana izay. Vahoaka maro, araka izany, no tonga nitsena ny Ankolafy Telo tamin’izao fitsidihina izao ary feno hafaliana ny mponina rehefa nahare fa hanampy azy ireo hamaha ny olana goavana mianjady amin’ny mponina tahaka izao ny Pr Albert Zafy sy ny Ankolafy Telo iray manontolo.
Efa betsaka ny fanaovana ampihimamba ny harem-pirenena tahaka izao, hoy ihany ny Profesora raha tsy nitanisa afa tsy ny mahazo ny vahoakan’Ambanja izay mitrandraka vatosoa ihany koa sy ny any Analanjirofo amin’ny resaka hazo sarobidy. “Ho avy ny fotoana hamoahantsika ny marina rehetra sy ny anaran’ny meloka rehetra amin’izao fampijaliam-bahoaka izao” hoy izy. Hitohy any Antalaha sy Sambava indray ny dian’ny Ankolafy Madagasikara.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.