Politique

Ankolafy Ravalomanana Tsy rototra amin’izay fifidianana


  • Alarobia 06 Febroary 2013

Na ny ankolafy Zafy Albert na ny ankolafy Ravalomanana dia samy tsy mbola rototra amin’izay hisian’ny fifidianana. Ny lisi-pifidianana aza tsy mbola ao tsara, hoy i Leriva Manahira.

 Ny fampihavanana tsy mbola tafapetraka, hoy kosa Ramarolahy Félix. Na ho aiza na ho aiza i Andry Rajoelina, hoy indray Rarison Hilarion dia fandaniam-bolam-panjakana fotsiny ihany satria izay tapaky ny SADC ihany no eken’ny rehetra ary dia tompon’andraikitra amin’ny fanatanterahana izany ny CENI-T. Nambarany fa dia feno ny fepetra ho an’ny ankolafy Ravalomanana tsy hanatanterahana io fifidianana io, satria tsy notanterahana ny sori-dalana.

Ankoatra izay, araka ny vaovao nampitain’ny CST Randrianjatovo Henri dia amin’ity anio ity no hanaovana ny tatitra momba ny ankety parlemanetra. Nambarany ihany koa fa dia karazana famerenana ny amin’ny fitsenana an’i Dada ny fivoahana hotontosaina amin’ny sabotsy ho avy izao eny Amboanjobe.

Nangonin’i Soa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT