Nandritra ny fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao 2013 nataon’ny Tiako I Madagasikara (TIM) sy ny ankolafy Ravalomanana ny sabotsy 02 febroary teo, tao Besasavy toerana fivorian’ny TIM orizinaly no nanambaran’ny mpitarika any anatin’ny faritra Atsimo Andrefana izay misy Distrika sivy, notarihin’ny CT Sazalahy Tsianihy.
Nanamafy ny mpivory rehetra, fa raha tiana ho tanteraka ny fifidianana amin’ity taona 2013 ity dia tsy maintsy tanterahana alohan’ny fotoana ireto zavatra manaraka ireto : «ny fampiharana tsy misy tomika ny voalaza sy voasoratra ao anatin’ny tondrozotra niarahana nanao sonia izay efa nolaniana ho lalàna itondrana ny tany sy ny fanjakana, ka ao anatin’izany ny fiverenan’ireo sesitany politika, indrindra ny filoha Marc Ravalomanana, ny famotsoran-keloka sy famoahana ireo gadra politika na sivily na miaramila, ny fampihavanam-pirenena mba hisian’ny fitoniana sy ny fandriampahalemana ary ny fifidianana filoham-pirenena izay efa niarahan’ny CENI-T sy ny sehatra iraisam-pirenena ny nanapaka azy no tanterahina mialoha fa tsy ny solombavambahoaka izany».
Mpanakorontana
Nanameloka ankitsirano ny teny niendrika fanakorontanana saim-bahoaka ary tsy manaraka ny zavatra tapaka ao amin’ny Troika-SADC nataon’ny ambasadaoro Frantsay monina sy miasa eto Madagasikara, François Goldblatt, ny antoko TIM sy ny vahoaka any Atsimo Andrefana, araka ny nambaran’ny CT Sazalahy Tsianihy hatrany. Tamin’io fihaonana io ihany koa no nanoritsoritany, fa «miandry ny fahatongavan’ny filoha Marc Ravalomanana ny vahoaka any Atsimo Andrefana satria tsy maty ao am-pon’izy ireo ny zava-bitany».
Fa i Andry Rajoelina kosa, hoy ity mpitarika mafanafon’ny Zanak’i Dada ity dia «mpanao amboletra. Korontanin’ny filohan’ny tetezamita ny zavatra rehetra efa tapaka hivoahantsika amin’ny krizy, mba hitaran’ny fitondrany hijanonany maharitra eo». Tsy mijery ny tombontsoam-bahoaka i Andry Rajoelina sy ny forongony, hoy izy, koa ampy izay efatra taona izay, hoy ny fanehoan-kevitry ny CT Sazalahy Tsianihy nanoloana ireo vahoaka an’arivony ny sabotsy teo, fa «miala Rajoelina raha tsy tanteraka ny fifidianana amin’ny 8 mey izao».
E.R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.