Politique

Ankolafy Ravalomanana Toamasina Ny fiverenan’i Dada an-tanindrazana no zava-dehibe


  • Zoma 14 Desambra 2012

Nifampitaona tao amin’ny efitrano malalaky ny lycée Price Ambolomadinika ireo mpiara-mitolona amin’Atoa Ravalomanana sy ireo ankolafy misy azy ao Toamasina, nankalaza ny tsingerin-taona nahaterahany ny talata 12 desambra.

 Nifangaro tamin’ireo mpiara-mitolona aminy ny alahelo sy ny hafaliana. Eo aloha ny fankalazany ny tsingerintaona faha-63 izay fifaliana lehibe tamin’ireo mpiara-dia aminy ; teo koa anefa ny tsy maha eto an-tanindrazana azy fa mbola any Afrika Atsimo noho ny hetraketraky ny mpanongam-panjakana, araka ny famaritan’ireo ankolafiny ao Toamasina azy. Tsy olana aminay ny fanambarana nataon’ny Sadc mikasika ny fihaonana tany Dar Es Salam ireny sy ny fanambarana nataon’Atoa Ravalomanana sy ny filoha Tanzanianina ireny. Aminay dia ny fiverenany indray an-tanindrazana no tena zava-dehibe ka eto Madagasikara mahita ny fandaminana rehetra atao aorian’ny fiverenany, araka ny nambaran’ireo mpiara-mitolona aminy ao Toamasina. Aminay dia ny FAT no kepoka sy mivarahontsana tanteraka satria tsy nampoizin’izy ireo iny fanapahan-kevitra iny, hoy hatrany ireto ankolafy tao Toamasina ireto.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT