Politique

Ankolafy Ravalomanana Toamasina Miomana hitsena an’i Dada


  • Alatsinainy 18 Jolay 2011

Nanomana fihaonana manokana nifampizarana vaovao mikasika ny famahana ny krizy sy nanambarana ny ho fiverenana an-tanindrazana an’Atoa Marc Ravalomanana, tamin’ireo mpikambana sy mpanara-dia azy ny ankolafy Ravalomanana omaly alahady tolakandro.

 Tao Morarano Botanique no natao ny fihaonana, vahoaka maro no tonga niatrika izany. Nambaran’Atoa Rasamimaka Mahefalahy izay mitarika ny ankolafy Ravalomanana Toamasina ary fa «miomana dieny izao isika fa hitsena an’i Dada. Hatsangana isam-pokontany ny sampan’ny ankolafy Ravalomanana hahafahana manetsika ny rehetra». Niditra mivantana tamin’ny antso an-tariby koa nanome ny vaovao ny senateran’i Bongolava teo aloha, Roland Ravatomanga, mpikambana ao amin’ny birao politikan’ny antoko Tiako I Madagasikara, izay nanamafy fa «afaka mody tsy misy fepetra ny filoha Ravalomanana sy ny fianakaviany ary ireo niala tsy fidiny an’i Madagasikara noho ny politika, anisan’ireny ny amiraly Didier Ratsiraka izay voasakantsakana na ambara fa afaka mody koa aza teo aloha».

Voaasa tamin’izao hetsiky ny ankolafy Ravalomanana izao koa ny Rodoben’ny malagasy Toamasina notarihan’ny filohany, Kotomanantsoa Rémi, ka nilazan’ity farany fa «mila mifankatia sy mihavana tsara isika izao. Efa akaiky mantsy ny faran’ny tolona, ka betsaka ny fahavalo ao anatin’izany». Nanana solontena tamin’ity fihaonana ity koa ny ankolafy Ratsiraka tamin’ny alalan’i Dahy Emilien. Nanambara ity farany fa «marary ny firenena ka mila fanasitranana haingana. Efa ho tonga ny fanafody ho antsika, satria ho avy hiaraka eto an-tanindrazana ny filoha Ratsiraka sy ny filoha Ravalomanana». Nambaran’ireo nandray fitenenana rehetra nandritra ity fihaonana tao Morarano Botanique Toamasina ity, ny hanambarana ny hery sy hanamafisana ny finoana sy fanantenana, nefa tsy maintsy mailo satria tsy kely lalana ny ratsy. Ankoatra izay dia nandray anjara mavitrika tamin’ny hetsika koa ny GTT Toamasina, izay nitondra ny hafatry ny GTT International, araka ny fanambarana nataon’izy ireo mba tsy hitsabahan’ny Frantsay amin’ny raharaha anatin’i Madagasikara fa mampitarazoka ny famahana ny krizy.

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT