Politique

Ankolafy Ravalomanana Toamasina Hitety boriborintany manomboka anio


  • Zoma 05 Aogositra 2011

Taorian’ny fametrahana ireo rafitra sy ny mpikamban’ny COM.MR isaka ny boriborintany tao Toamasina, nampahafantarina ny herinandro lasa iny, dia hidina hitety ireo rafitra isaka ny boriborintany ireo mpitarika ny ankolafy Ravalomanana manomboka anio zoma.

 “Ho fanairana ny eny ifotony sy fanomanana ny fitsenana makotroka ireo Malagasy voatery nanao sesitany ny tenany noho ny fanenjehana politika, no atao amin’izany”, araka ny fanazavana nataon’ny mpandrindra, ny Me Rasamimaka Mahefalahy. “Entanina koa ny vahoaka rehetra hanamafy ny hetsika izay ataon’ny rodoben’ny Malagasy isan-kerinandro”, hoy hatrany izy. Amin’ity anio ity dia ny Boriborintany Ambodimanga, misy fokontany 19, no hanombohana ny hetsika, hitohy ao Tanambao V, Anjoma, Ankirihiry ary Morarano aorin’izay.

Fantatra koa fa hanomana hetsika lehibe eo an-tokotanin’ny Magro ny Rodoben’ny Malagasy Toamasina ny alahady tolakandro izao. Andrasana ny fahatongavan’ny Profesora Zafy Albert any an-toerana, izay milaza hanao ampamoaka lehibe amin’io fotoana io. Efa eo am-pikarakarana fatratra izany ireo mpandrindra rehetra ny Rodoben’ny Malagasy Toamasina ifarimbonan’Atoa isany Kotomanantsoa Rémi, Dahy Emilien, Iandro Robertson, ny GTT Toamasina ary Rasamimaka Mahefalahy.

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT